Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Desambra, 2018

Tantara mikasika ny Fifandraisana iraisam-pirenena tamin'ny Desambra, 2018

20 Desambra 2018

Efa Hita amin'ny Teny Espaniola ny Torolàlana ‘Manorata Bilaogy ho ana Fotokevitra!’

Efa hita amin'ny teny Espaniola ny Blog for a Cause!, ilay Torolàlana ho an'ny Blog Advocacy (Fiarovana amin'ny alàlan'ny Bilaogy) nataon'ny Global Voices, isaorana i María Florencia Puente avy ao amin'ny Global voices en Español tamin'ity dikateny ity.

17 Desambra 2018

Areti-mifindra, Fifandonana Sy Ireo Fotsy Hoditra Mpamonjy: Ny Endrik'i Afrika Nasiana Fanovàna Araka Ny Hollywood

Miresaka ny viriosy mitovitovy amin'ny ébola ny sarimihetsika "Outbreak", nivoaka tany amin'ny trano fijerena sarimihetsika tamin'ny taona 1995. Efa niova ve ny fijerin'i Hollywood an'i Afrika?

14 Desambra 2018

Slovakia: Tsy Fanekena ny Fisian'i Kosovo

Tamin'ny 17 febroary 2008, nanambara ny fahaleovantenany i Kosovo. Hatreto, 43 tamin'ireo mpikambana miisa 192 ao amin'ny Firenena Mikambana no nanaiky [teny anglisy] an'io fahaleovantena io, izay i Etazonia, i Kanadà, i Aostralia, ary ny ankamaroan'ireo fanjakana ao amin'ny Firaisambe Eoropeana. Ny Fanjakana tena mandà mafy an'io fahaleovantena io, eo...

Iran: Fampitam-baovao eo ambany famoretana 

Nanamafy ny famoretany ny fampitam-baovao Iraniana ny manampahefana Iraniana. Voarara ny 3 Jolay 2007 ny gazety mpanohana ny reformista Ham Mihan (Mpiray tanindrazana).

Fanehoan-kevitra avy amin'ireo bilaogera Afghana momba ny “diarin'ny ady” tao amin'ny Wikileaks

Toa tsy dia henoheno taorian'ny tatitra miaramila tafaporitsaka nivoaka tao amin'ny Wikileaks ireo bilaogera nanoratra tamin'ny teny Dari. Ireto ny fanehoan-kevitra nataon'ireo bilaogera Afghana roa.

12 Desambra 2018

Kaokazy: Firaisankina ao anatin'ny fahasamihafana

Amin'ireo ady telo tsy voavaha sy ny haino aman-jery ao an-toerana izay matetika maniva-tena, maneho hevitra momba ny tetikasa an-tserasera manantena ny hamotika ireo fitsarana an-tendrony  amin'ny fitaterana ireo ohatra avy amin'ny vondrona ara-poko miara-miaina milamina na ao anatin'ny fifandonana ao amin'ny faritra atsimon'i Kaokazy ny bilaogy

10 Desambra 2018

Manameloka Ny Polisy Soedoà Ny Manampahefana Ao Beijing Noho Ny Fanalam-Baraka Ireo Shinoa Mpizaha Tany, Saingy Misy lafiny Iray Hafa Ihany Koa Amin'Ilay Tantara

"Naniry ny hampiasa ity tranga ity mba hampihetsehana ny hambompom-pirenena hanerena ny governemanta Soedoà ny Ministeran'ny Raharaham-bahiny. Saingy fantatry ny mponina anaty aterineto tsara ....ny marina sy ny lainga."

Niteraka Onjam-baovao Tsy Marim-pototra Maro Ny Fitsoahan'Ilay Lehilahy Makedoniana Nanana Ny Maha Izy Azy Nankany Hongria

Raha ny resaka mandeha any amin'ny tontolon'ny filazambaovao ao Balkàna no hinoana, nitsoaka taminà sidina an'ilay zotram-piaramanidina iray izay efa nikatona ny taona 2012 i Nikola Grueski .

05 Desambra 2018

Zeorzia/Rosia: Mamahana Mpandroba Sy Mpitsoaponenana

Ry Zeorziana, ampy izay ny ady fanapariahambaovao. Tsiriho avy eny am-baravarankely, hita eto ireo sekoly garabola sy ireo sekoly hipoka mpitsoaponenana. Anatero izay mba azonareo omena izy ireo, ary avy eo mandehana any amin'ny masoivohon'i Rosia. [...] 

Indonezia: Fankahalàna Anaty Aterineto

Tsy dia tsara loatra ny fifandraisan'i Indonezia sy i Malaizia tato ho ato noho ny samy filazan'ny roa tonta ho tompon'ireo rakitry ny ela ara-kolontsaina zarainy. Manoratra mikasika ilay fifandirana anaty tambajotra eo amin'ireo mpampiasa aterineto avy amin'ireo firenena roa ireo i Carla.