Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Mey, 2018

Tantara mikasika ny Fifandraisana iraisam-pirenena tamin'ny Mey, 2018

Shily-Etazonia: Ilay Fihaonan'i McCain sy Pinochet Tamin'ny 1985

“[ilay] nandà mafy indrindra ny tsy hipetraka eo anilan'ny mpanao jadona raha tsy efa misy fifanarahana mialoha, no nanao izany tamin'ny iray amin'ireo fahavalo tena henjana ho an'ny zon'olombelona, tomponandraikitra tamin'ny fahafatesan'ireo olontsotra maherin'ny 3.000 ary famonjàna an'aliny marobe.”

Pakistana : Fijery Avy Any Afovoany Atsinanana

Inona no ambaran'ireo blaogera avy ao Afovoany Atsinanana momba ny fivoarana farany ao Pakistana? Miainga avy amin'ny fanangonan-tsonia mba hanakanana ny lalàna miaramila ka tonga hatramin'ny hanihany mahatsikaiky, miainga avy amin'ny torohevitra mankany amin'ny fitarainana noho ireo fotoana tokony hahafanaha manao zavatra saingy tsy mifanojo amin'ny ilàna azy ireo fanehoankevitra.

Haiti: Ny Antoko Fanmi Lavalas Nalàna Tsy Ho Ao Amin'Ireo Fifidianana Manaraka

Na teo aza ny fanilikilihana nisy teo amin'ireo antoko politika sasany, nanantitrantitra i Janet Ann Sanderson Ambasadaoron'i USA ao Haiti […] fa any amin'ireo Fanjakana demokratika 'ireo fifidianana marina sy demokratika dia andraisan'ny rehetra anjara ary tsy manavaka' ary tsy maintsy manampy amin'ny 'fampiraisana ny demokrasia' amin'ny fampandraisana anjara an'ireo antoko...

Ejipta: Na Ireo Mpivarotra Zava-Mahadomelina Aza Dia Tia An'i Obama

Tonga amin'ny faratampony iray vaovao ny lazan'i Barack Obama ao Ejipta miaraka amin'ny fampidirana eny an-tsena ny entana iray tsy ara-dalàna mitondra ny anaran'ny filoha vao voafidy.

Antilles Frantsay-Gaza: Ankivy Ara-toekarena Ataon'i Israely Ve?

Amin'ny fomba isankarazany, maneho ny firaisankinany amin'ireo mponina ao Gaza ireo Antilles frantsay sy ny ao Karaiba hatramin'ny fiantombohan'ny ady.

Armenia – Azerbaidjana : Tanora Bilaogera Mamita Iraka Hameno ny Hantsana Jeopolitika

Tiako ny mifandray aminà olona samihafa. Isan'ny antony fototra nisoratako amin'ity tetikasa ity, dia ny hahita namana betsaka ato aho, ary mba hianatra lalindalina kokoa ny tsiambaratelon'ny media. Tia mamaky lahatsoratra momba ny kolontsain'ny firenena hafa aho. Mino aho fa hahay zavatra betsaka avy amin'ity tetikasa ity.

Libanona : Fiarahamonina Sy Fifanoherana

Misy karazana fo samihafa: vita amin'ny vy, vita amin'ny fingotra, vita amin'ny kristaly. Iza amin'ireo no tianao hanànana ?

Nepal: Fanavaozam-pifantohana eo amin'ny fifandraisan'i India sy i Nepal

Taorian'ny fitsidihana nataon'ny olona roa ambony, S.M Krishna Minisitry ny raharaham-bahinin'i New Delhi sy Deepak Kapoor Lehiben'ny tafika, noresahana indray tao amin'ny bilaogy Indiana sy Nepaley ny fifandraisan'i India sy i Nepal.

Bitsibitsika Afghan: ny mpitsoa-ponenana, ny mpitarika ady sy ny fitaizana zaza kamboty

Bilaogera Afhgana maromaro no niresaka momba ny fanapahan-kevitry ny governemanta Iraniana amin'ny fandroahana ireo mpitsoa-ponenana Afghan ho any Afghanistan.

Etazonia – Rosia : “Peregrouzka” sa “perezagrouzka” ?

Tsy manao afa-tsy ny manafina ny maha-kidaladala sy maha-vendrana an'iny fotoana iny ilay resaka dikanteny. Ianao miteny fitsaratsarampoana, ry zareo miteny fanaovana safobemantsina.