· Marsa, 2018

Tantara mikasika ny Fifandraisana iraisam-pirenena tamin'ny Marsa, 2018

India : Tibet Sy Ny Afo Olympika

  18 Marsa 2018

Toy ny hoe tsy mety hiala ao an-tsain'ny olona izany ny momba an'i Tibet. Tibet no mbola lohahevitra mibahana indrindra amin'ny adihevitra sy nahangona fanohanana maro avy amin'ny vahoaka, indrindra fa anaty aterneto ao India.

Ozbekistana : Fikorontanan'ny Politikan'Ny Raharaham-Bahiny

  18 Marsa 2018

Kihon-dalàna lehibe teo amin'ny politikan'ny raharaham-bahiny tao amin'ny firenena ilay fanafoanana tamin-kerisetra nataon'ny governemanta Ozbeka ny fihetsiketsehana iray tao Andijàna ny volana Mey 2005. Tsy navelan'ny governemanta hanao fanadihadiana mikasika ilay tranga ny Fiombonambe Eoropeana, ary taorian'ny fanoherana mafy nataon'ny governemanta Amerikana ny “tsy fanajàna ny zon'olombelona fototra”, noteren'i Tashkent hakatona ny tobin'ny tafika an'habakabaka Amerikana tao Khanabad.

Japàna: Topimaso Amin'i Yasukuni, Ilay Sarimihetsika.

  14 Marsa 2018

Nahatonga adihevitra ny sarimihetsika fanadihadiana iray naha-be resaka momba ilay fasan'i Yasukuni, notontosain'ny Shinoa iray mpanatontosa sarimihetsika tamin'ny alalan'ny famatsiambola nomen'ny masoivohom-panjakana Japoney, taorian'ny nikarakaran'ny vondrona iray eo amin'ny fitondrana, ny LDP, ny fandefasana izany mba hitsarana ny "tsy fiandaniany". Nanolotra fomba fijery samihafa momba ilay toe-draharaha sy ilay hevitry ny governemantan'izy ireo izay lazain'ny sasany fa sarimihetsika "politika" ireo blaogera.

Armenia-Azerbaijan: Antsafa Niarahana Tamin'I Elizabeth Métraux

  06 Marsa 2018

Hetsika antserasera mampiasa bilaogy sy lahatsary mba hampifandraisana ny tanora Amerikana sy Armeniana ary Azerbaijani hiara-miasa amin'ny famoronana ny fampitam-baovao tompon'andraikitra ara-tsosialy ny DOTCOM, fandaharanasa novokarin'ny PH International ary tohanan'ny Departemantam-panjakana Amerikana. Miresaka amin'ny Talen'ny Fandaharanasa Elizabeth Métraux ny Global Voices Online.