Tantara mikasika ny Fifandraisana iraisam-pirenena tamin'ny Aogositra, 2014
Tadjik Bilaogera iray Hafa Momba An'i Alexander Sodiqov
Andro dimampolo ary mitohy hatrany ny fanisàna hatramin'ny nisamborana an'i Alexander Sodiqov, olon'ny Global Voices, nosamborin'ireo manampahefana tao Khorog, Tajikistan. Navotsotra i Sodiqov saingy tsy afaka madiodio. Ity misy Tadjik bilaogera iray hafa miaro ny anarany.
Karatra Fiarahabana Ny Fitsingerenan'ny Andro Nahaterahana Avy Amin'i Moscow Ho An'i Barack Obama . Fanavakavahana Ve Izao?
Nisy fikambanana tanora tsy nitonona anarana nihanika teo an-tampon'ny tranon'ny masoivohon'i Etazonia ary nametraka takelaka lamba maneso ny Filoha Amerikana, ny andro fitsingerenan'ny nahaterahany. Misy resaka fanavakavahana ve ny dikan'io?
Ny Elanelan-Karama Eo Amin'ny Lahy sy ny Vavy, Jery Avy Amin'ny Media Sosialy
Fotoana nanararaotana nankalazana fotoana manan-tantara roa mifandraika amin'ny fanafoanana ny fanandevozana ny 10 mey. "Mizotra mankany amin'ny fahantrana ny fiarahamonina tsy manome lanja ny atsasaky ny mponiny."
Koblyakov, Rosiana-Frantsay, Mpikatroka Mafàna Fo Sady Mpanohitra, Nosamborina tao Bolgaria
Ny 29 Jolay 2014 teo, voasambotra tao amin'ny seranam-piaramanidina iraisampirenena tao Sofia, Bolgaria i Nikolay Koblyakov, mpanangana ny "Free Russia" (Rosia Afaka), izay efa an-taona maro no nikarakara hetsi-panoherana manohitra ny fitondran'i Poutine