Tantara mikasika ny Fifandraisana iraisam-pirenena tamin'ny Novambra, 2011
Iran: Maneho Hevitra Momba Ny Honohono Hisian'ny Fepetra Ara-Tafika Ireo
Lasa lohateny lehibe eny amin'ny pejy voalohany ny honohono amin'ny mety hisian'ny fanafihana ara-miaramila ataon'ny Amerikana na Israeliana amin'ireo toby nokleary Iraniana, na izany ho an'ireo mpampahalala vaovao efa nahazatra, na ho an'ireo Iraniana mpampiasa aterineto.
Iran: Niteraka Fanehoan-kevitra Maro i Hillary Clinton
Ny fanamarihana nataon'i Hillary Clinton tamin'ny fanadihadiana iray tamin'ny BBC ny 26 Oktobra 2011, nilaza fa ny Hetsika Maitso dia tsara mitady fanampiana avy any ivelany, dia niteraka fanehoan-kevitra maro - anisan'izany teo anivon'ireo endrika diso fantatra loatra amin'ny Hetsika Maitso sy ireo bilaogera
Palestina: Tafika Israeliana Nanakana Andian-tsambo tao Gaza Ary Nisambotra Mpitolona
Miaramila Isiraeliana no nandeha sambo anankiroa hizotra ho any Gaza androany maraina. Sambo Kanadiana Tahrir (Fanafahana) sy irlandey Saoirse (Fahalalahana) no niainga ho any Gaza mba handrava ny fahirano ataon'ny Isiraeliana. Nitatitra tao...
Azia Atsimo: Mankalaza ny Zazakely Faha-7 Miliara
Tamin'ny 31 Oktobra 2011, nandray ny zazakely vao teraka antsoina hoe Oishi ny planeta. Nampitondraina hafatra manokana ny Fahaterahany tao an-drenivohitr'i Bangladesh, Dhaka -” izy no zaza faha-7 miliara eto an-tany.”...
Palestina: Andian-tSambo Vaovao Handrava ny Fahirano Mahazo an'i Gaza
Nipongatra androany hizotra ho any Palestina, handrava ny fahirano mahazo an'i Gaza, ny andian-tsambo Kanadiana sy Irlandey. Nafenina ho tsiambaratelo ity tetikasa ity ary izay vao nolazaina. Ao amin'ny Twitter, ny filazana ity vaovao ity dia niely tamin'ny alalan'ny tenifototra (Onjam-pahafahana) #Freedomwaves
Israely: Mpampiasa Aterineto Manohitra Mafy Ny Mety Ho Fanafihana Atao Amin'i Iran
Tatitra avy amin'ny fampahalalam-baovao Israeliana maro tato ho ato no niresaka ny mety hisian'ny fanafihana hataon'ny Israeliana amin'ireo foto-drafitrasa nokleary any Iran.Raha zohiana ireo tatitra ireo, sambany izao ny vahoaka Israeliana no nanomboka niresaka tamin'ny fomba matotra ity olana goavana ity. Maneho hevitra momba ny vaovao any anaty bilaogy sy Twitter any ireo mpampiasa aterineto.