Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Desambra, 2008

Tantara mikasika ny Fifandraisana iraisam-pirenena tamin'ny Desambra, 2008

Madagasikara: Nosivanin'ny Fitondrana Frantsay ny piesy teathralin'ny Tolom-panafahana

Nofoanan'ny solotenam-panjakana frantsay misahana ny tapany atsimon'i Afrika sy ny ranomasimbe Indiana tsy misy fanazavana ny fitetezantany ilay piesy teathraly mampahatsiahy ny tantaran'ny tolom-panafahana hahaleovan'i Madagasikara tena tamin'ny 29 marsa 1947. Mbola mitohy ihany koa ny adihevitra momba ity resaka ity ato amin'ny aterineto. Misy lahatsary ato.

Torkia: Momba an'i Volombavamena manontolo

Serbia: Vondrona mpanandratra firenena Serba ao amin'ny Facebook

Eto ampanombohana dia sahirana mandrakariva aho mpandika teny malagasy amin'ny fanavahana ny nasionalista sy patriôty. Noho izany manomboka izao ny nasionalista dia hataoko hoe mpanandratra ny firenena (mba tsy hanaovana ny hoe mpankahala vahiny) ary ny patriôty kosa no hataoko hoe tia tanindrazana. Hiditra amin'izay lazain'ny lahatsoratra nadika amin'izay aho....

Shina sy Frantsa: Atao fahirano ny vita frantsay

Nisy lahatsoratra nivoaka tamin'ny 1 Desambra tao amin'ny China.com mampirisika ny firenena manontolo hanao fahirano ny vokatra frantsay ho fanoherana ny fihaonana eo amin'ny Filoha frantsay Nicolas Sarkozy sy ny Dalai Lama. Manome torohevitra ny mpanjifa ny lahatsoratra tsy hividy marika frantsay tokony ho 50 eo ho eo ka anatin'izany...

Ezypta: Antso ho fahatsiarovana an'i Saddam Hussein

Amin'izao tsingerintaona faharoa namonoana ny filoha Irakiana teo aloha Saddam Hussein izao, ary noho ny fiaraha-mientan'ny fiaraha-monina Irakiana any Kairo, dia niantso hanao hahatsiarovana ny Filoha irakiana teo aloha ny antoko politika dimy any Ezypta. Taorian'ny nanatsongana lahatsoratra tao amin'ny Gazety Al Youm 7, no nanoratra ny Ezypsiana iray: Believe...

Eritrea: Fifandraisana arak'asa soratra amin'i Rosia

Japan: Andro itsapana ny fahaizana teny japoney

Pakistan: Nisy baomba nipoaka sady nahafaty tany Peshawar

Peshawar, renivohitry ny faritany avaratra andrefan'ny sisintany any Pakistan no tratran'ny fipoahana baomba mahery vaika androany [zoma]. Nitoby teo akaikin'ny trano fivoriana ilay fiara izay miaty fitaovana mora mipoaka 30-40 KG. Tsy fanafihana famonoantena ity satria tsy nisy olona tao anatin'ny fiara. Araka ny tatitra farany nataon'ny Polisy dia voamarina...

Ezypta: Nandà ny hihaona amin'ny filoha Bush i Wael Abbas

Mpamaham-bolongana Ezypsiana iray antsoina hoe Wael Abbas no nilaza tao amin'ny bolongany fa nolaviny ny fanasana hihaonana amin'ny (filoha Amerikana George Herbert Walker) Bush. Nandika ny lahatsorany avy amin'ny teny arabo i Marwa Rakha.

Ezypta: Boky amerikana

Ny mamaham-bolongana Ezypsiana Asmaa Yasser - Maraina - eto no manoratra ny zavatra niainany tao amin'ny famakiam-bokin'i Mubarak ho an'ny daholobe. Mandika ny lahatsoratra avy amin'ny teny Arabo kosa i Tarek Amr.