· Avrily, 2008

Tantara mikasika ny Fifandraisana iraisam-pirenena tamin'ny Avrily, 2008

Shina: Ny Carrefour no mahazo vahana

  22 Avrily 2008

Mananihany i Huge fa ny Carrefour ihany no mahazo vahana amin'ity fitadiavana ankivy ity [zh]. 1. dokambarotra tsy andoavambola; 2. Fantatry ny maro teo no ho eo fa hay marika frantsay hay io; 3. Hahazony fon'ny saranga antonony somary ambany ny fanaovany fampihenambidy amin'izao fiakaran'ny vidin-javatra izao.

Trinite sy Tôbagô , USA, Afrika, Italia : Fivavahana sy Pôlitika

  20 Avrily 2008

Jeremy Taylor no manapariaka ao amin'ny blaoginy Notes from Port of Spain [tanana any Trinite sy Tôbagô ny Port of Spain] izay fijeriny ireo lohahevitra misongadina vokatry ny fandalovan'ny Papa Ray Masina tany Zamerika [USA]: It's not enough for the Pope to be ‘ashamed’ of his American paedophile priests…he also...

Egypta:Ataovy ankivy izao tontolo izao

  18 Avrily 2008

Ny olona eran'izao tontolo izao dia mampiasa ny fanerena ara-toe-karena mba hanoherana fanapahan-kevitra politika amin'ny alalan'ny fiantsoana fanaovana ankivy ny vokatra avy amin'ny firenena voafaritra mazava. Miaraka amina firenena maro izay ampidirina foana ao anatin'ny lisitr'ireo tratry ny ankivy, dia mizara izao hevi-baovao izao ny mpitoraka blaogy Egyptiana Tarek. Ataovy...

Haiti: Ny anton'ny rotaka

  17 Avrily 2008

Lazain'ny The Haitian Blogger  (mpamaham-bolongana Haisiana) fa “diso toerana (babangoana na hafahafa) ny mandre ny filazan'ny  Amerikana ‘fahombiazana’ tamin'ny rotaka miady hanina any Haiti.”

Armenia: Kolontsaina hafa

  17 Avrily 2008

Manoratra ny kolontsaina mety ho hafahafa amin'ny vahiny miaina any Armenia i Dominic. Tsy maintsy miatrika ny fifampitantanan'ny olona amin'ny fandihizana tampoka eny an-dalana, marihin'ingahy mpanolotenan'ny tafi-pandriampahalemana moa fa mahitsy fo kokoa ny Armeniana amin'ny fitsikerana ny hafa.

Zimbaboe : Hatraiza ny fahefan'i Mbeki

  16 Avrily 2008

Hope no manoratra ao amin'ny blaogy This is Zimbabwe ny fahakiviany tanteraka tamin'ny fihetsiky Thabo Mbeki filohampirenena Afrikana Tatsimo : Mbeki, after going to Harare to see Mugabe, says today that there is “no crisis”…I cannot believe I am so upset – again – because whenever I know Thabo Mbeki...

Zeorzia:MAP koa

  16 Avrily 2008

TOL Georgia no maneho hevitra tamin'ny nampandamoka ny fireneny tsy neken'ny OTAN ho MAP na Membership Action Plan na Mpikambana Am-Perinasa nandritra ny vovonana natao tao Bucharest. Raha nandray ohatra an'i Albania ny mpamaham-bolongana dia kely ny fanantenany ny hahatafiditra an'i Zeorzia amin'io fikambanana io noho ny fahabangan'ny fandrosoana eo...

Syria: 60 taona taorian'ny Deir Yasin

  16 Avrily 2008

“Raha miomana hankalaza ny faha-60 taona ny Isiraeliana, ary ny palestianiana kosa feno 60 taona izay ny nakana ny tany taminy, dia tsy maintsy manome voninahitra ireo lavo tao anatin'ny habibiana nitranga nandritra ny fandripahana tao Deir Yasin tamin'ny 9 Avrily 1948 isika,” hoy Rime Allaf, izay nahatsiaro ny faha-60...

Shina: Ny fiantraikan'ny fihetsiketseham-panafahana an'i Tibet

  16 Avrily 2008

Nampangotrangotraka ny fihetseham-pom-pitiavan-tanindrazana shinoa fatratra ny filaharam-panoherana ny shinoa tamin'iny herinandro lasa iny. Hany ka raha nisy zatovovavy mpianatra any etazonia “tratra” nandray anjara tamin'ny fihetsiketseham-panafahana an'i Tibet dia anjatony ny mpiserasera nanompa azy araka izy any an'eritreriny any.

Zimbaboe : Governemanta anaty akatan'i Mugabe

  15 Avrily 2008

Robb Ellis manoratra ao amin'ny blaoginy The bearded Man [Ravolombava] mikasika ny fanapahankevitry Mugabe tsy hanatrika ny fivoriana maikan'ny SADC : So when Zambian President Mwanawasa called for an emergency meeting of SADC in Lusaka today, Mugabe couldn't be bothered to attend. Instead he is sending his Foreign Minister. (Is...