Tantara mikasika ny Fifandraisana iraisam-pirenena
Miatrika dona miverina ny fampiharana ny politikan'ny tsy mila visa ao Kenya
Misy ny fanahiana eo amin'ny olom-pirenena Kenyana fa ny fitakiana ny saran'ny ETA 30 dôlara US dia mety hitarika ireo firenena Afrikana hafa, izay niditra malalaka tany Kenya teo aloha, hamaly amin'ny fameperana visa.
Tiorka mpanamory sambon-danitra voalohany nisidina an'habakabaka
Amin'ny fotoana izay andiavan'ny firenena ny krizin'ny vidim-piainana, ny fiakaran'ny vidin'entana sy ny fitotonganan'ny volan'ny firenena, dia nampametra-panontaniana ireo sasany ny amin'ny fanapahan-kevitry ny governemanta handefa an'i Gezeravci ho eny an'habakabaka.
Soavaly atakalo fiara — angano iray amin'ny diplaomasia maoderina misy eo amin'i Torkia sy Hongria
Manana zavatra iraisina mihoatra noho ny fitiavany herin-tsoavaly ireto mpitarika roa ireto. Samy manohitra mahery vaika amin'ny fidiran'i Soeda ho ao amin'ny OTAN ary samy manana fironana tsirefesimandidy.
Mikiry hatrany ireo mpanao adisisika ho an'ny zon'ireo mpiasa mpila ravinahitra na eo aza ny fandrahonana ataon'ireo manampahefana ao Thailandy sy Kambôdza
"Hoy aho, azonareo bahanana ny pasipaoroko raha heverinareo fa tena manao zavatra tsy mety aho. Tsy matahotra aho."
Hitan'i UK ho olana ny fifindra-monina, tsy mihevitra izany kosa ny mpandala zon'olombelona sy ny Vondrona Afrikana
Nanao soniam-pifanarahana mampiady hevitra ny Fanjakana-Mitambatra (UK) sy Rwanda hamindrana ireo mpitady fialokalofana sasany tonga ao UK ho any Rwanda
Tsy mitovy ny hevitr'ireo manampahaizana mikasika ny fiantraikan'ny fidiran'i Afrika ho mpikambana amin'ny G20
" Maminavina fitomboana ara-toekarena tsara sy fiarahamiasa ireo manampahaizana sasany, raha toa ireo hafa kosa maneho fisalasalana, mametraka olana amin'ny fahombiazan'ny Firaisambe Afrikàna sy ny fahafahan'ny G20 hamaha ireo fanamby miavaka ao Afrika."
Hetsika iray mihamitombo ao Afrika sy eny anivon'ny am-pielezana hitakiana fanonerana ireo ratsy vitan'ny fanandevozana sy ny fanjanahantany
Ny fitakiana fanonerana dia tsy andrana famerenana hanoratra ny tantara na fanohizana ny kiboriborin'ny fahatsapantena ho niharam-pahavoazana. Antso io hanekena ny marina tsy azo lavina sy hamerenana manoratra ny tsy nety
Maneho ny fanohanany ny Palestiniana ny mpampianatra oniversite sy ny fiarahamonim-pirenena Filipiana
"Tohananay ireo rahalahy sy anabavy Palestiniana ao anatin'ny zony feno sy ao anaty fotokevitra ara-drariny ho amin'ny fandriampahalemana sy ny fizakan-tenany."
Nahatohina ny fianakaviana ny fasan'ny nepaley miaramila mpifindramonina any Rosia
Mitady Nepaley mitady asa amin'ny fifanarahana Bemidina ara-miaramila Manokana hiady amin'ny ady Rosiana-Okrainiana i Rosia ary Nepaley maro no maty.
Aostralia-Tuvalu Falepili Union: Ny rariny ara-toetrandro sa ny fifanaraham-piarovana?
"Tsy mahasakana ny fiakarana tsy azo ihodiviran'ny ranomasina ny fanolorana zo hanana toeram-ponenana na zom-pirenena ho an'ireo Tuvalunians, na dia valinteny misy fangorahana fotsiny aza ilay izy."