Tantara mikasika ny Teratany
Ny fomba fitazonan'ireo mpamorona votoaty amin'ny teny Ho sy Santali ao India hanamafisana ny teny indizeny
Ny fanadihadiana tamin'ny taona 2022 natao tamin'ny teny Ho sy Santali, fiteny indizeny avy any India, no nahitana fa 70,4 isanjaton'ny mpamorona no mampiasa ny findainy mba hamoronana sy hampidirana votoaty, na dia mbola fanamby lehibe aza ny famadihana izany ho vola.
Stan Grant abôrizena Aostraliàna niala tamin'ny toerany rehefa niharan'ny antsojay ara-poko
"Te-hahita toeram-panavotana lavitry ny fofona maimbon'ny haino aman-jery aho. Te-ho any amin'ny toerana tsy hahatsiarovako ny tatatr'ireo haino aman-jery aho."
Ao Ginea, ala iray ao afovoan'ny renivohitra no manjavona noho ny fanitarana tanàndehibe tsy voafehy
Ala iray miorina ao afovoan-tanànan'i Kônakry no hita miharihary manjavona noho ny fanitàrana tanàndehibe tsy voafehy ka mandrava ireo toerana maitso sisa azo raisina.
Milaza ny mpanao famotorana ao Goiana fa mpianatra vavy iray tezitra tamin'ny findainy nogiazana no fotory ny fahamaizana mahatsiravina tamin'ny kilasimandrin-tsekoly iray
Tao amin’ny efitra fandroana no niantombohan’ny afo, izay noheverina fa nanaparitahan'ilay tovovavy fanafody famonoana bibikely teo amin’ny lambam-baravarana, avy eo izy nandrehitra afokasoka. Vetivety dia niitatra nanerana ny trano ny afo.
‘Matsaka rano’: Mitarika tetikasa fambolena organika iadiana amin'ny fiovaovan'ny toetrandro ny vehivavy teratany Boliviana
Vehivavy Guaraní maherin'ny 120 avy ao Timboy Tiguasú ao amin'ny Chaco Boliviana no mitarika famokarana agrô-ekôlôjika tsy mampiasa famonoana bibikey sy amin'ny fatsakana, fitehirizana ary fizarana rano.
Ao Burundi, mitohy ny fiantraikan'ny tondradrano amin'ireo mponina manodidina ny tanàndehibe
Any amin'ireo vohitra sasantsasany manodidina an'i Bujumbura, renivohitr'i Burundi, miverimberina matetika ny tondradrano nefa tsy mbola mahita vahaolana maharitra ny fanjakàna.
Nandrakitra zava-bita tsara indrindra maneran-tany roa tamin'ny fampisehoana goavana tany India ny dihy Bihu Assam
Tamin'ny 13 Aprily, mpandihy Bihu miisa 11.304 sy mpitendry amponga 2.548 no nivory ho amin'ny fampisehoana Bihu lehibe indrindra tao Guwahati, renivohitry ny Fanjakan'i Assam, Indiana, ary nahazo ny firaketana zava-bita manerantany roa.
Repoblika Demaokratikan'i Kôngô, omen'i Bulebe Hangi aina vao ny fiteny Kihunde
"Fantatro fa miady an-trano ireo fiteny eo an-toerana any amin'ireo firenena rehetra ao Afrika ka ny iray matanjaka no mitelina ny iray [...] mbola lavitra ny làlana ary mbola betsaka ny asa tokony hatao."
Ilay fanavakavaham-bolonkoditra tsy ankiteniteny ambadiky ny fihetsiketseham-panoherana ao Però
Lehilahy sy vehivavy miteny Quechua, anisan'izany ireo manao zipo nentim-paharazana, ponchos, satroka, ary sainam-paritany manavaka azy ireo, no nitarika ny fihetsiketsehana mitaky ny fialàn'ny filoha Dina Beluarte.
Fanapoizinana sy fandroahana ao Paragoay ataon'ny indostrian'ny hena ao Eoropa
Mivarotra hena vokarina tamin'ny saozaha voarohirohy tamin'ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ao Paragoay ny McDonald's, KFC, sy ny Carrefour.