Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Tantara mikasika ny Teratany

Global Voices sy UNESCO hiaraka hiasa hamorona fitaovana fikatrohana nomerika ho fampiroboroboana ny fiteny ety anaty tambajotra

Tetikasa iray vaovao hiarahan'ny UNESCO sy ny Rising Voices mandrafitra miaraka amin'ireo tambajotrana mpikatroka nomerika ho an'ny fiteny, hifampizaràna ireo fomba fanao sy tetikady tsara indrindra ho entina miatrika ireo fanamby misy.

Tarika hip-hop iray tsy mitendry afa-tsy zavamaneno nentim-paharazana mba hanorenana kolontsaina Kazakhstani vaovao

Tetikasa andrana ara-mozika iray no miezaka manova ny fomba fijery ratsy atao amin’ny kolontsaina ambanivohitra, amin’ny famokarana hira vaovao mampiasa ireo zavamaneno nentim-paharazana.

Nahoana no esorina daholo ireo sarivongana dindon'ny fanjanahantany ao Amerika?

"Ho anay, toy ny fanerena Jiosy iray handalo isanandro manoloana ny sarivongan'i Hitler" ny fandeferana ny fisian'ny karazana tsangambato tahaka ireny.

Ireo mpanakanto teratany meksikàna izay mihantsy ny marika sy ny fitsaratsaram-poana.

"Ho anay, tsy fankalazana ny endrika ivelany, fomban-drazana na tantara mahasondriana ny andro Erantany ho an'ireo Vazimba Teratany . Fa kosa, tsy maintsy ekena ny fisian'ny fanandramana voarindra hanafoanana anay."

Nandresy tamin'ny tolona manan-tantara ara-pitsarana ny fikambanam-pifandraisana tarihin'ny indizeny ao Meksika

Afaka manohy manome fidirana finday amin'ny vidiny mora ho an'ireo vondrom-piarahamonina eo an-toerana ao Oaxaca ny fikambanana fifandraisan-davitra tarihin'ny indizeny.

Hamelomana indray ny fitenin-dry zareo ‘tandindonin-doza fatratra’, nampiseho fahaizana mamorona ireo Gitxsan mpampiasa aterineto

Tratry ny fahirano ny fiteny indizeny Gitxsan, saingy tamin'ny alàlan'ny fitrandrahana ny teknolojia izay natahorana hanafoana azy aza, navaozin'ny vondrona Facebook, Gitxsan Got Talent, ny fahalinany amin'ilay fiteny.

Ao Bolivia, mihaika ny fetin'ny fahaleovantenan'i Bolivia ny vahoaka tompotany Aymara

"Tsy nidika fanafahana ho anay Aymara ny fahaleovantenan'ireo firenena ireo. Ho anay, fiovàna "tompo" ihany ilay izy, avy amin'ny fihoaram-pahefan'ny espaniola mankany amin'ny fihoaram-pahefan'ny taranany."

Taorian'ny firaketana an-tsoratra momba ny fakàna tany tao anatin'ny toerana natao ho azy ireo, 18 ireo tompontany mpitarika sy mainty hoditra naiditra am-ponja ao Nikaragoà

Nanomboka tamin'ny 2015, ireo Kriol sy Rama nampiana-tena ho mpiambina ala no manara-maso ny fandripahana ala sy fakàna an-kery ny tany ao anatin'ilay valanjavaboary biolojika.

Ao Però, 23 ora isan'andro ny ho an'ny teny espaniola ary ora iray ho an'ny fiteny tompotany

Sariohatry ny fanilikilihana nihatra nandritra ny 200 taona izany tsy fahampiana fizaram-potoana ao amin'ny fampitam-baovao izany.

Qatar : Takaro ry zareo lehilahy Qatari

Betsaka ireo mpila ravinahitra no manana hevidiso momba ireo lehilahy ao Qatar. Heverin-dry zareo izy ireny fa sarotra atonina, tsy tia miresaka na misokatra amin'ny finamànana, ary tsy misy resaka mihitsy raha izay fifandraisana sôsialy, ho azy ireny