· Oktobra, 2018

Tantara mikasika ny Hevitra tamin'ny Oktobra, 2018

Tonizia: Fotoana Fisoratana Anarana Amin'ny Fifidianana Izao

Nanomboka ny 11 Jolay 2011 ny fisoratana anarana anatin'ny lisi-pifidianana tao Tonizia ary hikatona ny 2 Aogositra 2011. Kanefa asejon'ireo antontanisa ny fisalasalan'ny Toniziana hisoratra anatin'ny lisitra. Izany no nahatonga vondrona iray ahitàna Toniziana mpanoratra bilaogy nanangana hetsipanentanana anaty aterineto hampirisihana ny vahoaka hisoratra anarana anatin'ny lisi-pifidianana Antenimieran-dalàmpanorenana.

Ahmadinejad sy i Chavez: ”Miala Any ny Resa-Pitiavana’

Tamin'ny Novambra 2007 nanao ny fitsidihany fahefatra tao anatin'ny roa taona tao Tehran ny filoha Venezoeliana Hugo Chavez mba hanasonia fifanarahana ara-toekarena bebe kokoa miaraka amin'i Iràna. Notsikerain'ireo Iraniana mpianatra sy blaogy maro mpomba ny havia ilay fifandraisana mpinamana nisy teo amin'ilay filoha ''sosialista'' Chavez sy ny Repoblika Islamika.

Korea Avaratra sy ny Fanaovana Mobcast???

  26 Oktobra 2018

(Fanamarihana: lahatsoratra Anglisy nivoaka tamin'ny Janoary 2005 ity lahatsoratra ity) Nipoitra ny lahatsary iray (rohy maty) mampiseho ny hetsipanoherana voalohany indrindra voarakitra tao Korea Avaratra. Nitoko isa vaovao maro enti-manohitra ny herisetra tohanan'ny fanjakàna. Angamba afaka manomboka mamoaka mobcast ry zareo ao Korea Avaratra amin'izao izy mahazo finday Sinoa marobe izao. Resaka matotra....