Tantara mikasika ny Hevitra tamin'ny Mey, 2017
Ny Fandraisana Diso, Ny Fandikana Diso Ary Ny Fampiasana Diso ny ‘Aspie’ Ao Japana
"Manontany tena aho hoe moa ve ho faly (ireo olona miaina amin'ny aretina Aspergers ) rehefa mihaino ny teny hoe asupe ampiasaina ho tenin-jatovo?"
Famelaberan-kevitra Avy Amin'ny Venezoeliana Iray Sahiran-tsaina: Ny Holatry Ny Tantara
Andro vitsy lasa izay, nilaza tamiko ny iray tamin'ireo namako efa ela fa rehefa avy nifindra-monina izy, dia nahita fa mankahala ny maha Venezoeliana azy. Izany no tena andian-teny nampiasainy. Tsy fantatro izay tokony holazaina, mijery ny tavany ao amin'ny efijery Skype miaraka amin'ny fahatsapana fiahiana sy fangirifiriana lehibe.
Raha Te-hanana Fitomboana Ara-toekarena i Karaiba, Mila “Mandray Ny Fomba Fijerin'ny Vehivavy”
Mba "hanapariahana ny toekarena", dia nampidirin'ny ramatoa Karaibiana iray mpandraharaha ny fampiasambola misokatra ary manasa ny vondro-piarahamonina izy mba hanampy ireo vehivavy ho amin'ny tena fandrosoana.
Iza No Mandoa Vola Hanaovana Sary-Sy-Soratra Mamely An'i Alexei Navalny?
Tamin'ny 5 Mey, nanomboka nahazo tolotra andoavam-bola amin'ny alalan'ny fandefasana sary-sy-soratra (meme) mitsikera ny lehiben'y mpanohitra sady bilaogera ara-politika Alexei Navalny ireo mpitantana vondrona marobe ao amin'ny tranonkala media sosialy Rosiana Vkontakte
Fanamby Ranon-tsira, Mandingana Sakafo sy #DignityStrike: Maneho Firaisankina Amin'ireo Gadra Mitokona Tsy Hisakafo Ny Palestiniana
Isan-taona isaky ny 17 Aprily, mankalaza ny Andron'ny Gadra Palestiniana ny Palestiniana ao anatin'i Palestina sy ny any am-pielezana mba hihazonana ny fankalazana sy ho fantatr'izao tontolo izao amin'ny alalan'ny fisarihana ny saina manoloana ny fijalian'ireo gadra Palestiniana.
Aza Taitaitra Foana : Natao Hanampiana Ny Rosiana Ity ‘Bokotra Mena’ Ity
Mety tsara ny fandaharam-potoanan'ny fampiasa satria toa hita miverina indray eo amin'ny fiainam-bahoaka ao Rosia ny hetsi-panoherana ara-politika, ary nahazo mpisera maherin'ny 4.000 amin'ny iOS sy Android izany tao anatin'ny andro vitsivitsy voalohany nanombohany.
Breziliana Mpanao Graffiti sy Tanora Syriana Miara-Mandoko Ny Rindrin'ny Tobin'ny Mpitsoa-ponenana
Miara miasa mandoko ny "rindrin'ny sekoly ao amin'ny Tobin'ny mpitsoa-ponenana" ao amin'ny Lemaka Beqaa ao Libanona sy ny rindrin'ny fanantenana maromaro ao Syria ny Breziliana iray sy ny Syriana vitsivitsy.