Tantara mikasika ny Vonjy Voina
Voafandrika ao Mariupol: Toy ny ahoana ny ao anatin'ny tanànan'i Okraina tratry ny fahirano
Mariupol, ao atsimo-atsinanan'i Okraina, dia voahodidin'ireo tafika Rosiana efa ho herinandro mahery. Ireto no feon'ireo mponina sasantsasany ao aminy.
Niova ny fijerin'izao tontolo izao an'i Okraina’ hoy ny mpihira avy amin'ilay tarika malaza Okean Elzy
Niresaka teo amin'ny Global Voices ny mpihira Svyatoslav Vakarchuk avy amin'ny tarika malaza Okraniana Okean Elzy, mikasika ireo olo-malaza Rosiana, ny faniriany hanao fampisehoana mandritra ireo krizy sy ny hoe nahoana no tsy azo atao ny manoratra mozika.
Tanora Montenegrin mamoaka hira manohitra ny ady, ho an'ireo ankizy ao Okraina
Hira sy lahatsary navoakan'ny orinasa media Vijesti izay mampiasa azy ireo ho fampiroboroboana ireo hetsika ho an'ny maha-olona hanampiana an'i Okraina.
Hong Kong : Miatrika « krizy vao mimpongatra » ireo vahiny mpiasa an-trano satria feran'ny COVID-19 ny fahafahan-dry zareo hahazo trano fonenana sy ny fahalalahany hivezivezy
Any Hong Kong, noho ny fandàvana tsy hanome "visa" azy sy taorian'ny naha-vaotily azy ho mitondra ny COVID-19, lasa mipetraka eny amoron'arabe ny vehivavy Filipiàna iray 35 taona.
Mozika amin'ny fotoanan'ny ady: Hira ho toy ny endri-panoherana Okrainiàna
Ao anatin'ny fananihambohitra Rosiàna ao Okraina, ao afovoan'ilay fifandonana ny kolontsaina sy ny maripanondroana. Anatin'io toejavatra io, niakatra lampihazo ny tarika okrainiàna "Okean Elzy" mba hanainga fanahy ny fanoheran'ny Okraniàna
Ry zareo Rosiàna miha-manakaiky, milefa an'i Okraina kosa ry zareo Nepaley
Raha i Rosia manahi-bohitra ao Okraina, ireo Nepaley mpila ravinahitra kosa mandositra; ny sasany tsy naninona, saingy ankamantatra ny hoavin-dry zareo
Mpianatra Turkmen: Nandositra an'i Okraina rotidrotiky ny ady
Nandritra ny andro vitsivitsy voalohany tamin'ny ady nataon'i Rosia tamin'i Okraina, tena tsy nisy ny fanampian’ny masoivohon'i Turkmen tamin'ny famindra-toerana ireo mpianatra sy ny olom-pirenena.
Miangona eo amin'ny sisintany any Moldavia, Slovakia, Polonina ireo mpitsoa-ponenana Okrainiana
"Tamin'ny dimy ora maraina, niantso anay ny namana nilaza taminay fa misy ny ady izao. Nangoninay ny entanay ary lasa izahay nandeha."
Mihoatra lavitra noho ny fanalàna ny fahirano amerikàna no tadiavin'ireo Kiobàna
"Sahiko ny milaza fa miatrika ny olana ratsy indrindra tao anatin'ny tantarany i Kiobà izao, lasa olana amin'ny maha-olombelona tsy misy hafa amin'ilay nodiavin'i Venezoelà tato anatin'ny taona vitsivitsy."
Lasa fitaovam-piadiana hamelezana an'i Tigré ny fanolànana faobe mahatsiravina atao amin'ireo vehivavy mandritra ny ady ao Etiopia
Ny 4 Novambra 2020, nipoaka ny ady tao Tigré taorian'ny nipoiran'ny fihenjanana teo amin'ny TPFL sy ny governemanta federaly hatramin'ny nandraisan'i Abiy Ahmed ny fitondràna tamin'ny 2018.