· Avrily, 2018

Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Avrily, 2018

Bahrain: Kamo Ve Ny Arabon'ny Golfa?

Tamin'ny fiandohan'ny herinandro farany ho an'ny Janoary 2008, nitafatafa tamin'ny gazetin'ny firaisambe arabo mpiseho isanandro "Asharq Al-Awsat" ny minisitry ny asa Bahraini, Majid Al Alawi, ary nolazainy tao amin'ilay resadresaka fa miatrika 'tsunami aziatika' ny Golfa satria 'kamo' sy 'simba' ary miankina amin'nireo mpiasa afarana avy any ivelany ireo teratany ao Golfa amin'ny fanaovana na dia ny asa tsotra aza. Nambarany fa ireo mpiasa vahiny manodidina ny 17 tapitrisa ao Golfa, aziatika ny ankamaroany, dia ho 'loza ratsy kokoa noho ny baomba atomika na ny fanafihan'ny israeliana'. ahoana ny eritreritr'ireo mpitoraka bilaogy bahraini ?