Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Oktobra, 2016
Can Thi Thêu Vietnamiàna Mpikatroka Mafana Fo Miady Ho An'ny Fananantany, Niaritra Herisetra, Fisamborana Sy Fonja
"Hiaina aho amin'ny fomba izay hahitan-dry zareo fa tsy hampatahotra ny finiavanay hiady amin'ny herisetrany. Izahay mpanao fitakiana ny tany dia hifikitra amin'ny taninay hatramin'ny farany."
Manohy Mitokona Tsy Mihinan-kanina Ilay Mpanao Gazety Makedoniana Noho Ny Fanemorana Ny Fotoam-pitsarana Azy

Nitokona tsy nihinan-kanina nanomboka tamin'ny 14 Septambra ilay Makedoniana mpanao gazety Zoran Božinovski, izay mbola miandry fitsarana noho ny fiampangana azy ho manao fitsikilovana. Nogadraina vonjimaika efa ho dimy volana mahery izy.
Manohy Ny Fitokonana ‘Alatsinainy Mainty’ Ireo Vehivavy ao Pôlônina Manohitra Ny Volavolan-dalàna Fandraràna Ny Fanalan-jaza
Manao fihetsiketsehina aho androany satria tsy afaka hanaiky ny tolo-kevitra vaovao momba ny lalànan'ny fanalan-jaza ao Polonina. Raha miroso amin'izany ry zareo dia hanimba ny vatana, ny saina ary ny fanahin'ny vehivavy.
Nandefa Hafatra Mampihorokoditra Ho An'ny Vahoaka Oromo Tamin'ny Alalan'ny Famoretana Nahafatesan'Olona Nandritra Ny Andro Fety Ny Manampahefana Ethiopiana
Izany no fanafihana voalohany nataon'ny mpitandro ny filaminana ny fomba nentim-paharazana lehibe ara-kolontsaina sy ara-pivavahana an'ny vahoaka Oromo ary indrindra anisan'ny heri-pamoretana mahery vaika indrindra tsy mbola fahita hatramin'izay natao iadiana amin'ny mari-panondroana Oromo
“Alatsinainy Mainty” Fitokonana Faobe Nokarakarain'i Pôlônina Manohana Ny Fahazoa-Misafidy Manoloana ny Fandraràna Tanteraka Ny Fanalan-jaza
Tamin'ny 3 Oktobra, vehivavy Poloney maro no tsy namonjy ny asany ary nandao ny raharahany ireo vehivavy mpikarakara tokantrano .
Nofonjain'i Koety Noho ny Faniratsirana Mpitondra Ao Amin'ny Firenena Ilay Mpikatroka Sara Al-Drees

Efa nigadra noho ny fiampangana mitovy amin'izany ihany teo aloha ilay mpikatroka mpanohana ny demokrasia.
GV Face: Aorian'ny Ady Efa Maherin'ny Dimampolo Taona, Msaina Lalina Ny Dikan'ny Fandriampahalemana ry Zareo Kolombiàna

"Satria manana fahafahana ireo Kolombiàna, satria manao izay hampisy io fandriampahalemana io ireo Kolombiàna, ary satria efa tena mifanantona akaiky tokoa ireo Kolombiàna, ka ho hadalàna raha tsy [andeha amin'io]."
Ho Fiarovana Ny Zoko eto Makedonia Hanala Zaza

Tsy hoe fandavana andraikitra ny manala zaza, fa safidy farany ho amin'ny mahasoa ny tena sy ny zaza ao an-kibo.
Netizen Report: Eken'ireo Olom-pirenena Soisa Ny Fanarahamaso

Resy tamin'ny fitsapankevi-bahoaka ireo Soisa mpikatroka mafàna fo, raràn'ireo Jordaniana manampahefana ny fandrakofam-baovao momba ilay famonoana mpanoratra, ary mandany vola be noho izay efa fantatra tany aloha i Meksika mba ho an'ny fitaovana fanarahana maso.
Tantaran'i Fidencio Sanchez Manasongadina Ny Aingam-Panahy Tsara Indrindra Ao Amin'ny Media Sosialy —Sy Ny Manjò Ireo Latinô Mpifindra-monina
Ao anatin'ny fotoana niantsoan'i [kandidà ho filoham-pirenen'i Etazonia] Donald Trump ireo mpifindra monina Meksikana ho mpivarotra zava-mahadomelina sy mpanolana , lasa marika mihaika ilay fiheveran-diso feno fankahalana ny sarin'ity mpifindramonina Meksikana miasa mafy ity.