Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Novambra, 2015
Manapaka i Myanmar : Lahatsary 4 Hanampiana Anao Hahafantatra Ny Fifidianana Hoavy
Myanmar 8 Novambra, Fifidianana faharoa hatao ao amin'ny firenena taorian'ireo fanavaozana politika tamin'ny 2010 nataon'ny governamanta tohanan'ny tafika
Brezila: Tsy Te-Hahita Ny Anarany Ety Anaty Tranonkala Ireo Mpanandevon'ny Vaninandro Maoderna
Didim-pitsaràna isankarazany no nitondra ho amin'ny fanivànana ilay "lisitra maloto" tao Brezila, ahitàna ireo orinasa mampiasa ny fomba fampanaovana asa an-terivozona
Mikarakara Fitsapankevitra Hijanonany 35 Taona Mahery Eo Amin'ny Fitondràna ao Kongô i Sassou-Nguesso
Filoha 4 amperinasa ao Afrika (Roandà, Borondi, Repoblikan”i Kongô ary ny Repoblika Demaokratikan'i Kongô) no miezaka manalava ny fe-potoana fiasàny hihoatra ny fetra napetraky ny lalàm-panorenana any amin'ny tany misy azy avy. Ao Kongô Brazzaville, nisy fitsampankevitra naroson'ny filoha Denis Sassou-Nguesso mba hahafahany mirotsaka indray hofidiana. Fepetra vaovao nolavin'ny mpanohitra...
Iràna: Hanome Fitsaboana Tsy Manavaka Ho An'ireo Mpitsoa-ponenana
Manakaiky ny 1 tapitrisa ireo vahoaka Afgàna mpitsoa-ponenana ao Iràna, miampy ireo vinavinaina ho 1,4 hatramin'ny 2 tapitrisa monina sy miasa ao amin'ny firenena nefa tsy misoratra ara-dalàna ho mpitsoa-ponenana