Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Novambra, 2019
Koety : Ny fijalian'ireo vondrom-piarahamonin'ny tsy manana zom-pirenena any Koety, Ny fahanginana sy ny fanafoanana ny zo maha-olombelona
Tsy nisy ny ezaka nataon'ireo sampan-draharaha miandraikitra ny fiarovana mba hanenjehana sy hampanginana ny hetsika ho fanajana ny zon'olombelona ataon'ireo vondrom-piarahamonin'ny tsy manana zom-pirenena any Koety.
Toeramponenana ao amin'ny oniversiten'i Hong Kong, nivadika ho sahan'ady tao anatin'ny andro telo nitokonana
Ny 11 Novambra, andro voalohany nanaovana fitokonana faobe, no nanomboka ny fifandonan'ireo mpikatroka mpianatra sy ny polisy, raha iny niezaka ny hametraka sakana an-dalambe mba hanapahana ny fifamoivoizana iny ireo mpianatra
Ao Pakistan, takian'ny diabe Azadi ny hifaranan'ny fitondran'ny PM Khan
Fahabetsahan'ny olona, fahatapahan'ny aterineto, fanohanana avy amin'ny antoko mpanohitra, fankahalàna Qadianis, fihofahofan'ny saina Taliban, fanakiviana ny vehviavy tsy handray anjara no anisan'ny mampiavaka ny diabe Azadi/dharna tanterahana ao Islamabad.
Taratasy ho an'i Shina: Efa ho roa taona izao ilay Uyghur namako, Zainur, no voatazona any amin'ny tobinareo any
Topazan-dry zareo maso ny endrik'izay rehetra miditra ny maoske. Raràn-dry zareo ny fifadiankanina. Nalevinay ny bokinay. Notenenin-dry zareo izahay hanaisotra ny hidin-tranonay. “Tsy haiko hoe nahoana
Vietnam: Mpampianatra fahiny teny amin'ny oniversite, nogadraina noho ny zava-boasoratra tety anaty aterineto
Tohizan'ireo manampahefana ao Vietnam ny fanamafisan-dry zareo ny famoretana ireo olontsotra tsy hanana ny fahalalahana maneho hevitra, eny fa na tsy misehatra amin'ny fikatrohana eny ifotony aza izy ireny, na anaty hetsika politika.
Sodàna: Miezaka ho velona tsy ampian'ireo ONG
Ny 4 Martsa 2009, ny Cour Pénale Internationale (CPI) dia namoaka didy fampisamborana ho an'ny filohan'i Sodàna, Omar Hassan al-Bashir. Ho valifaty dia 13 ireo ONG noraràna dieny ny ampitson'io tsy hahazo hiasa ao amin'ilay firenena, isa tafakatra ho 16 ny herinandro taorian'izay
Kôlômbia, nametraka fialàna ny minisitry ny fiarovana noho ireo famborahana momba ny daroka baomba nataon'ny tafika
Niteraka ny hatezeran'ny rehetra sy ny fametrahana fialàn'ny minisitry ny fiarovana ny fahafatesan'ireo tanora valo nandritra ny daroka baomba nataon'ny tafika hikendrena ireo mpanohitra avy amin'ny FARC
Fihetsiketsehana tao Beiroty nomem-boninahitra tanaty sarintany maneho ny hetsipanoherana ho toy ny dingana ‘fanorenana tanàna’ mivantana
“ Fanampiny lehibe ho an'ny "magma" hita maso miantefa amintsika ireo sarintany ireo, satria ahafahantsika mamintina, misaintsaina ary mametraka ny zavatra maro ho anaty vinavina."
Mampiseho ny fitsapan-kevitra fa tsy matoky ny polisy ao an-tanàna intsony ny ankamaroan'ny vahoakan'i Hong Kong
Nesorin'ny governemantan'i Hong Kong tamin'ny fomba ofisialy ny volavolan-dalàna mifehy ny fampodiana an-tanindrazana tamin'ny 23 Oktobra, saingy mitohy ny fihetsiketsehana ary adino ny volavolan-dalàna mifehy ny fampodiana satria ny olana momba ny herisetran'ny polisy sy ny fampiasana herisetra no lasa ahiahy lehibe indrindra ao an-tanàna.
Fanentanana iray manohana ilay mpilalao sarimihetsika Pakistaney Rabi Pirzada taorian'ny nivoahan'ny sariny mitanjaka
Mampiseho ny fomba hamelezana manokana ny olona amin'ny fahalalahany maneho hevitra ao Pakistan ny tranga nahazo an'i Rabi Pirzada.