Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Febroary, 2018
Mitambatra Ireo Mpikatroka Nomerika Ao Myanmar Mba Hiaro Ny Zo Nomerika-n'ny Vahoaka Ao Amin'ny #DigitalRightsMM
Hatramin'ny taona 2011, niainga 2.5 isan-jato hatramin'ny 90 isan-jato mahery ny taham-pidirana amin'ny finday ao Myanmar, nitondra olom-pirenena an-tapitrisany tanaty aterineto satria niala ny didy jadona miaramila nankany amin'ny demokrasia lalàm-panorenana ny firenena .
“Bio-testamenta” ao Italia : Lasa Lalàna
Tamin'ny 14 Desambra 2017, nankatoavin'ny parlemanta Italiana ny lalànan'ny testamenta ara-biôlôjika (bio-testamenta), izay hahafahan'ny olom-pirenena manapa-kevitra amin'ny fitsaboana atao sy tsy atao aminy amin'ny fiafaran'ny fiainan'izy ireo
Jahanbegloo, Manampahaizana Nofonjaina & Ny Fitafy Islamika
"Angamba efa niova ny dikan'ny hoe asa fitsikilovana. Angamba izay olona mampianatra amin'ny oniversite manao asa fikarohana sy manoratra boky dia azo raisina ho mpitsikilo amin'izao androntsika izao"!
Shina: Fandraràna Ny Kolontsaina Shanzhai ?
Amin'izao androntsika izao, afaka fotsiny manome sosokevitra momba ny vary sy ny tay ireo solotena, tsy misy olona ho sahy hanolotra fepetra hanoherana ny kolikoly. Dia manontany tena aho hoe iza no soloin-dry zareo ireo tena?
Kolombià: Miteraka Ahiahy Ny Fanavotana Takalonaina
Taorian'ilay fanavotana nolazain'ilay mpirotsaka hofidiana ho filohampirenena fahiny, Ingrid Betancourt hoe 'tsy nisy tomika', takalonaina navotan'ny tafika kolombiàna tamin'ny Alarobia 2 Jolay 2008 niaraka taminà 14 hafa notazonin'ny Tafika Revolisionera Mitampiadiana ao Kolombià (FARC), efa ho 10 taona mahery ny an'ny sasany, nilaza ny ahiahiny ny vondrom-piarahamonina kolombiàna momba ny ho fiantraikan'ilay fanavotana, sy ireo tombontsoa mety ho tao ambadik'izy iny.
Asongadin'ireo Hetsipanoherana Ny Mety Ho Herin'ny Lalànan'i Iràna Momba Ny Fahafahana Mahazo Vaovao
Fotoana mety tsara izao mba hampiharana ireo ezaka mankany amin'ny mangarahara taorian'ireo hetsipanoherana tamin'ny Desambra sy Janoary tao Iràna. Tsy maintsy ny fampiharana tanteraka ny Lalànan'i Iràna momba ny Faafahana mahazo Vaovao no tsy maintsy dingana voalohany.
Mitaky Ny Rariny Ilay Olona Niharan'ny Herisetran'ny Mpitandro Filaminana Sady Miatrika Fanehoan-kevitra Manavakava-bolonkoditra Ao Amin'ny Media Sosialy Tao Myanmar
Ny fanehoan-kevitra feno fankahalàna nanafika ilay nanao fitarainana noho ny endri-piaviany, ny volokodiny, ary ny mari-panondroana azy ara-poko no lasa nanjary nalaza kokoa noho ilay olana voalohany tamin'ny herisetran'ny mpitandro filaminana.
Maraoka: Sazy Maivana
Tamin'ny volana Septambra 2009 dia fantatra fa niharan'ny daroka mafy nandritra ny naha-mpanampy an-trano azy i Zineb Chtit , tovovavy Maraokana iray. Nambara fa hosaziana telo taona an-tranomaizina sy ny lamandy mitentina 13.000 $ ilay olona nikasi-tànana an'i Zineb, Nawal Houmin, vadin'ilay rangahy mpampiasa azy.
Arzantina: Miteraka Resabe Ny Didy Fisamborana Ny Rain'ny Mpitsara Iray
Mihevitra ilay Mpitsara Arzantina hoe "mazava ho azy fa misy ifandraisana" amin'ny didy navoakany manakana ny governemanta tsy hampiasana ny tahirimbola federaly ny didy fampisamborana ny rainy, nampangaina ho nanitsakitsaka ny zon'olombelona.
Kambodza: Nomem-boninahitra Tamin'ny Loka Ilay Afaka Tamin'ny Fanandevozana Ara-nofo
Mpikatroka miaraka amin'ny Orina Mpanasoa Somaly Mama i Sina Vann avy ao Kambodza, manampy ireo avotra tamin'ny fanandevozana sy ireo mbola miasa ao amin'ny trano fivarotan-tena. Nomem-boninahitra hahazo ny loka Frederick Douglass izy tamin'ny asany.