· Jona, 2017

Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Jona, 2017

Ny Fomba Fijerin'ilay Bilaogera Soedoa An'i Iran

Bilaogera Soedoa iray i Jonathan Lundqvist izay nitsidika an'i Iran volana vitsivitsy lasa izay ary nizara ny zavatra niainany tamin'ny Global Voices tao anatin'ny antsafa iray. Namoaka sary maro tao amin'ny bilaoginy momba ny sivana, ny fiainana andavanandro ao Iran i Jonathan sady tsy hanadinony ihany koa ny hatsaran-tarehin'ilay firenena.

Iran: Polisy Nandaka Vehivavy

Miady amin'ny vehivavy amin'ny lafiny roa fara fahakeliny ny manampahefana Iraniana. Andaniny, nalefa tany am-ponja ary nenjehina ny mpikatroka vehivavy nanao hetsi-panoherana ho amin'ny fitovian-jo. Ankilany, manohy ny famoretana manerana ny firenena ny polisy Iraniana izay mikendry ny hankatoavan'ny vehivavy ny fehezan-dalànan'ny fomba fitafy Islamika ao Iran.

Iran: Fisamborana sy Fandravàna

Nanohy ny politikany momba ny famoretana mihatra amin'ireo mpikatroka ny zon'ny vehivavy sy ny Silamo Sufi ny governemanta Iraniana tato anatin'ny herinandro vitsivitsy. Nosamborina andro vitsy lasa izay i Maryam Hosseinkhah, mpikatroka ny zon'ny vehivavy sady mpanao gazety, ary noravan'ny mpitandro ny filaminana ny Foiben'ny Silamo Sufi.