Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Aogositra, 2016
Nampirongatra Ny Fanararaotana Tany Amin'ny Toby Foiben'ny Mpitady Fialokalofana Ivelan'i Aostralia, Ao Nauru Ilay Antontan-Taratasy Tafaporitsaka
Niteraka rojon-korontanà fanararaotana ara-nofo, fanafihana ary ny tranganà fandratràn-tena tao amin'ny toby foiben'ireo mpitady fialokalofana any Aostralia, any amin'ny firenena bitik'i Nauru any Pasifika ireo antontan-taratasy roa arivo mahery tafaporitsaka.
Japàna: Polisy Mitsikilo Ny Miozolmana Na Dia Voaràran'ny Lalàm-Panorenana Aza
Nitondra fampitsaharana andiana tolona ara-pitsaràna ny fanapahankevitry ny fitsaràna handà ny raharaha iray nanontanina momba ny maha-ara-dalàna na tsia ilay fanarahana maso ireo Miozolmana niainga avy amin'ny finoany fotsiny
Ny Tantaran'i César Manuel : Ankizy Mpifindramonina Ao La Havane
Teraka tao La Havane ny sasany tamin'ireo ankizy mpifindramonina, ny hafa indray tonga fony izy mbola kely. Fa na iray aza, tsy misy manana adiresy ao amin'ilay renivohitra izy rehetra.
“Taratasim-Pitiavan'i Brezila Ho an'i Iràka” : Fampirantiana Saripika Mandefa Hafatra Fandriampahalemana
Fanaintainana mihena, poezia mitombo, fanajàna mitombo, ny ady mihena : toa sahala amin'ny nofinofy ireny faniriana ireny ao anatin'ny fotoana iray izay anjakan'ny tsy fandeferana sy tsy fanajàna ny hafa. Kanefa asehon'ny fampirantiana saripika, “Taratasim-Pitiavan'i Brezila Ho An'i Iràka” fa azo atao ny manokatra làlana amin'ny fifikirana amin'ireny soatoavina ireny , eny fa na any amin'ny faritra misy fifandonana aza
Sonita Ampolony No Voalaza Fa Novonoin'i Iran Hamoretana Ireo Gadra Noho Ny Fieritreretana
Nisy nitatitra fa nanatanteraka famonoana gadra sonita am-polony tao amin'ny fonjan'i Gohardasht ny governemanta Iraniana, ary anisan'izany ilay gadra malaza noho ny fieritreretana Shahram Ahmadi.
Kanefa, Nisy Mpiaro Tontolo Iainana Iray Hafa Indray Novonoina Tany Honduras. Rahoviana Izany No Hifarana ?
"Takianay ny hanatsaharan'ny governemanta eto Honduras ny famonoana ireo mpikatroka mafana fo mpiaro ny tontolo iainana. Atsaharo ny famonoana anay nohon'ny fiarovanay ny zonay.."
Tonga Ao Trinidad & Tobago Ny Areti-mandoza Ateraky Ny Fanondranana Olona
Tao anaty tatitra iray vaovao, voatondro ho toerana faleha, fandalovana, ary loharano ho an'ireo olon-dehibe sy ankizy iharan'ny fanondranana antsokosoko ho an'nhy filàna ara-nofo sy asa anterivozona i Trinidad sy Tobago".
Mihamafy Ny Antso Fanaovana Fanadihadiana Amin'ny Faneriterena Atao Amin'ny Vondrom-piarahamonina Tharu Any Amin'ny Farany Andrefan'i Nepal
"Voalohany, nalaina ny tanin'izy ireo, avy eo ny fahalalahana miaina, ary izao, kendren'ireo vato nasondrotry ny tany mpanavakavaka ireo ho foanana ny Tharus"
Fanairana Momba Ny Fomba Fampijaliana — Endrika Abu Ghraib — Ao Amin'ny Foibe Fitazonana Tanora Ao Amin'ny Faritany Avaratra ao Aostralia
Nanangana Vaomieram-panjakana ny governemanta Aostraliana mba hanadihady ny fampijaliana ny ankizy mahatohina ao amin'ny foibe famonjana tanora any amin'ny Faritany Avaratra .
Milisy Sivily Nofanin'i Rosia “Vonona Hiady Amin'ireo Mpitsoaponenana” Any Amin'ny Sisintany Iraisany Amin'i Bolgaria
Fanehoana lehibe ny fitomboan'ny tsy fitiavana vahiny any Bolgaria ny fisian'ireo milisy sivily mpihaza mpitsoaponenana manamorona ny sisintanin'ny firenena . Hatreto, mangina tanteraka mikasika ilay olana ireo manampahefana.