Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Mey, 2016
Voaheloka Dimy Taona Sy Efa-Bolana An-tranomaizina Ilay Ethiopiana Bilaogera Sady Mpikatroka

Nampifandray ny fampiasana ny fiarovana nomerika sy ny fampihorohoroana ny mpampanoa lalànan'ny fanjakana ao Ethiopia. Mitovy hevitra azy amin'izany ny mpitsara ao antoerana.
Mpikatroka Mafana Fo Tsy Mpitondra Fivavahana Nokendrena Ary Novonoina Tany Bangladesh

Mpianatra amin'ny taranja lalàna, 28 taona, novonoinà mpamono olona telo tany Dhaka, Bangladesh, ny 7 Aprily 2016. Toa ireo tsikerany amin'ny fivavahana mitàna ny nentin-drazana no tena nikendrena ilay tovolahy.
Netizen Report: Noho Ny Fifandonana Anaty Cyber Sy Zon'Olombelona, Mitombo Ny Disadisa Eo Amin'i Etazonia Sy Iràna

Mitombo indray ny isan'ny maty ho an'ireo Bangladeshis tsy mpino, Nodiovina tao amin'ny tranonkala Shinoa ny #PanamaPapers ary dingana roa fanamarinana no trandrahan'ireo Ejiptiana manampahefana mba hanaovana lasibatra ny kaontin'ireo mpikatroka mafàna fo ety anaty aterineto.
Lalànan'ny Fifandraisandavitra: Neken'ny Fitsarana Tampony Meksikana Ny Fangitra Ara-Jeografika Sy Ny Fihazonana Ny Lahatahiry

Mbola be ny ady hiarovana ny fiainana manokana sy ny filaminan'ny tsirairay eo amin'ny sehatry ny fifandraisan-davitra.
Ny Fomba Hifehezan'ireo Vazimba Teratany Indray Ny Fahitàn'ny Hafa Azy Ireo
Mba hamenoana ny banga amin'ny fisoloana tena ireo vahoaka vazimba teratany eny anaty fampahalalam-baovao, manana setriny iray ireo vondrom-piarahamonina ireo : famoronana ny fitaovam-pifandraisana azy ireo manokana.
Manohitra ny Fampanambadiana Ankizy Ao India Ireo Mpivarotra Tranolay ho an'ny Lanonana
Ahoana no hahafahantsika miantso ny tenantsika ho mivoatra raha toa ka miroborobo ny fomban-drazana ratsy tahaka izao.
Mbola Tànam-polo Ihany No Anadiovan'Ireo Ambany Saranga Ao India Ny Tain'ny Olona, Na Eo Aza Ny Lalàna Mandràra Izany
Araka ny tatitra iray tamin'ny 2015, maro amin'ireo trano any ambanivohitra ao India no mbola manakarama mpandraoka loto amin'ny tànana, mihevitra fa tsy misy ifandraisany amin'ny fahantràna ilay fomba fanao fa noho ny fanavakavahana iaretana noho ny resaka saranga
Ogandà: Tsy Ho Alefa Amin'ny Fahitalavitra Ilay Fanentanana Fihantsian'ny Mpanohitra

"Mahamay ny taorian'ny #AndroManerantanyHoAnyFahalalanGazety. Tonga ny VazivazyMediaOgandà. Maneso"
Nandritra Ilay Famoretana Feno Rà Nandriaka, Nampiasa Bala Tena Izy Ny Polisy Hoy ireo Gambiana Mpanao Hetsipanoherana
Ampahany amin'ny hetsika tsy mbola nisy toa azy tao Gambia hitakiana ny fanavoazana ny fifidianana sy ny fialàn'ny filoha Yahya Jammeh ireo hetsi-panoherana nitranga.
Noafahana Vonjimaika Ilay Bilaogera Iraniana Hossein Ronaghi-Maleki
"Amin'ny fiaingana rehetra, misy ny fiverenana. Na dia malemy sy marary aza, tsy maintsy mitsangana sy mitsiky isika. Tsy maintsy mandroso isika..." hoy i Hossein Ronaghi-Maleki nanoratra.