Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Janoary, 2016
Manohy Ny Fanakanana Ny Mediam-bahoaka i Bangladesh, Mandrahona Tetikady Vaovao Amin'ny Fanaraha-maso

Noho ny tsy fisian'ny fandraisana andraikitra nasehon'ny governemanta, mampiahiahy ho an'ny toeran'ny fahalalahana miteny ao amin'ny firenena ny fivoarana mankany amin'ny fanaraha-maso henjana ny Aterineto.
Mandrisika Ireo Mponina Ao Hong Kong Tsy Hanadino Ireo Mpivaro-boky Nanjavona Ny Zava-kanto Andalambe
“Tsy afaka ary tsy tokony hanadino ny fanjavonan'ireo olona dimy iska. Tsy ara-dalàna intsony ny fiainana andavanandro ara-dalàna.".”
Japana Sy Korea Atsimo : Mahatezitra Ireo Akanga Sisa Nanamborana Ilay Fifanarahana Manantantara Momba Ireo “Vehivavy Fampiononana”
Noteren'ny tafi-panjakana Japoney ho amin'ny fanandevozana ara-pananahana ireo vehivavy manerana an'i Azia nandritra ny ady lehibe faharoa. Tsy niombona hevitra tamin'io fifanekena io ireo akanga sisa nanamborana sy ireo mpanao politika Japoney sasany avy ao amin'ny hery ankavanana.
Mpikatroka Miezaka Mamafa Ny Fanilikilihana Ateraky Politikan'ny Governemanta Amin'ny Resaka Fanalan-jaza
"Satria mikasika ahy izany, ny fanapaha-kevitra hanala zaza na tsia dia tokony ho zoko samirery."
Kere Ao Madaya : Ireo Sary Ao Siria Tsy Tian'ny Olona Hojerena Akory
Mivezivezy mameno tranonkala ireo sary mahatsiravina avy ao Madaya (Siria), ary mampiseho ny kalvery iainan'ireo olona 40.000 monina ao, iharan'ny hanoanana sy miandry fahafatesana.
Manampy an'i Brezila Hanangana Ny Fahatsiarovana Varotra Andevo Ny Tanora Amerikanina Iray Mpanao Maritanàna
Nopongarina vao haingana indray ny sisim-piantsonana nidiran'ny andevo tao Rio ary notendrena i Sara Zewde hanoritsoritra tsangambato amin'ny manodidina ity toerana nitrangan-javatra mampalahelo ity.
Fahatsiarovana Ireo Nanjavona Tao Orogoay Jerena Avy Amin'ny Mason'ny Mpakasary
Nandany 12 taona tany an-tsesitany i Juan Urruzola nandritry ny fitondràna jadona tao amin'ny fireneny. Nataony ho iraka tsy maintsy vitainy ny mampahatsiaro amin'ny alàlan'ny saripika ireo nanjavona nandritra io fitondràna io.
Te-hamelona indray ny fombafomban'ny vazimba teratany ao Meksika ny Voces Étnicas
Te-hametraka ny tenany ho fitaovana fampitana ny fombafomba sy ny nentin-drazana teratany ao Meksika ny Voces Étnicas, mba hahafahana maka sy mamelona indray ny ribany.
Mpivady Ao Singapaoro Notsaraina Fa Toa Hoe Nahamosarena Vehivavy Filipina Mpiasa An-trano Nandritra ny 15 volana
"... monina sy miasa eo ambany fitsipi-panjakana izay mametraka azy mivantana amin'ny toeran'ny andevo fehezin'ny fifanekena ireo mpifindra monina mpiasa an-trano ao Singapaoro..."