Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Aogositra, 2015
Hahazo Ny Rariny Ihany Ve Ireo Niharam-boina Tamin'ny Fitondrana Jadon'i Pinochet?
Mino aho fa zava-dehibe hoan'ny firenentsika ity tsy fanajana intsony ny fifanaraham-pahanginana taorian'ny taona maro ity. Taloha sy taorian'ny tolona ho an'ny zon'olombelona izany.
Taorian'ny Fipoahana Baomba 2 Tao Bangkok, Niara-nientana Ny Mpiserasera Thailandey
Fipoahana roa no namely ny afovoan-tanànan'i Bangkok roa andro lasa izay, ka olona 20 no namoy ny ainy ary an-jatony ireo naratra.
#AtTheEdge (Eo Amin'ny Rirany) : Fanentanana Mihantsy Ny Sivan'ny Haino Aman-Jery Any Malezia
" Toy ny andrana atosiky ny fitiavan-tena tafahoatra mba hampanginana ireo maleziana te-hahalala zavatra ny fihetsiky ny Ministera amin'ny fotoana maha-betsaka kokoa ny fanontaniana noho ny valiny azo omena momba ireo barofo goavana ara-bola. "
Mandrahona Ny Hikatona Ireo Ozinina Ao Myanmar Raha Ambony Loatra Ny Karama Farany Ambany
"Mandrisika ny governemantan'i Myanmar izahay mba handray fepetra henjana hanatsarana ny fari-piainana - miankina aman'aina izany hiantohana ny ambaratongan-karama kely indrindra hanidy ny mpiasan'ny sehatr'asa iray ho ao anatin'ny fahantrana."
Resaka Tamin'i Nina Ansary, Mpanoratra Mpivohy Ny Miralenta, Ny Harivan'ny Fiovàna Tany Iràna
Tafaresaka amin'ny mpanoratra ny 'Jewels of Allah', boky vaovao manazava momba ny miralenta any Iràna amin'izao fotoana izao i Mahsa Alimardani.
Nizeria : Tezitra Noho Ny Fanamelohana Ho Faty ‘Kano Sivy’ Noho Ny Fitenenan-dratsy Ny Fivavahanana
"Tsy misy afaka hiaro an'Andriamanitra ka hamoaka fanamelohana olona iray ho faty, Silamo aho ary manameloka tanteraka izany.#SaveKanoNine"
10 Volana Aty Aoriana, Manao Diabe Manerana an'i Meksika Ireo Fianakaviana, Mitady Ireo Ayotzinapa Mpianatra Tsy Hita
Milaza ireo ray aman-dreny fa niaina tao anatin'ny helo izy ireo tao anatin'izay 10 volana izay, kanefa noho ny fanohanan'ireo Meksikana maro, manana hery hitakiana ny rariny izy ireo.
Filipina : Miala Tsiny Ny Tafika Taorian'ny “Nandikàny Vilana” Ny Fijerin'ny Firenena Mikambana Ny Famindràna Toerana Ireo “Ata-Manobos” Hiala Ny Fonenany
"Te-hiverina any amin'ny taniny ireo vondrom-piarahamonina saingy nohizingizininy fa tsy hahatsapa filaminana mihitsy izy ireo raha toa ka tsy mifarana ny fifehezana maharitra ataon'ny tafika amin'ny faritra misy azy ireo."
Tsy navela hamaly ny fiampangan'ilay mpampanoa lalàna Iraniana ny mpisolovavan'ilay mpanao gazety
Heverina hivoaka ao anatin'ny herinandro ny didim-pitsarana amin'ny fiampangana an'i Rezaian, izay ahitana ao anatiny ny “fitsikilovana” sy ny “fiarahamiasa amin'ny fanjakana fahavalo,” hoy ny mpisolovavany Leila Ahsan tamin'ny ISNA.
Fihetsiketseham-panoherana noho ny nampiatoan'i Malayzia gazety roa namoaka trangan-kolikoly
"Tsy azontsika hohadinoina velively ankehitriny ny fihoaram-pahefana. Azonao atsahatra ny Ny Morony fa tsy azonao aato ny marina!!"