Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Desambra, 2013
Noorjahan Akbar : “Afaka Hanova An'i Afganistana Ny Vehivavy”
Mpikatroka ny zon'ny vehivavy Afgàna sy bilaogera mavitrika i Noorjahan Akbar, 22 taona. Mihevitra izy fa nahitam-piovana tsara ny zon'ny vehivavy ao Afganistana nandritra izay taom-polo izay. Mino ihany koa izy fa fitaovana lehibe hoan'ny vehivavy Afgàna ny media sosialy mba hanehoana ny fitarainan'izy ireo.
Antso Ho Famotsorana Ilay Mpanao Gazety Sy Mpakasary Espaniola Nalaina An-keriny Tao Syria
Mitohy ny antso ho famotsorana an'ireo espaniola roa: mpanao gazety Javier Espinosa sy ilay mpakasary miasa tena Ricardo Garcia Vilanova, izay nalain'ny Fanjakana Islamika ao Syria sy Iraka an-keriny.
“Rehefa Mifoka Rivotra Ny Ranomasina”: Taratasy Iray Avy Amin'i Oscar López Rivera, Gadra Politika Puerto Ricain
Mifonja efa ho 32 ao Etazonia i Oscar López Rivera. Ao anatin'ity taratasy ho an'ny zafikeliny vavy ity dia mahatsiaro ny ranomasina izy
Espaina: Lalàm-Piarovana ny Olom-pirenena sy Fampihenana ny Zo Fototra Sivily ?
Volavolan-dalàna ahitana andianà fepetra mamely ireo fihetsiketsehana sivily sy karazam-panoherana ao amin'ny firenena.
SARIPIKA: Toeram-pahatsiarovana 5 Ao Santiago, Chile
Mitari-dalana antsika amin'ireo torana manan-tantara sy misy tsangambato mifandraika tamin'ny fanonganam-panjakana miaramila nitranga tany Chile sy ny fiantraikan'izany tao an-drenivohitra Santiago ny bilaogera Lillie Langtry.
Rehefa Tapitra Ve Ny Ainy Vao Ho Afaka Madiodio Ilay Voaibe Rosiana Khodorkovsky?
Efa voalahatra hivoaka ny fonja amin'ny taona hoavy i Mikhail Khodorkovsky, voaibe ao Rosia faran'izay mangidy hoditra sady gadra politika malaza, saingy misy ankehitriny ireo famantarana fa mety hiatrika vesatra heloka bevava vaovao izy [ru] alohan'ny hahafahany hifoka rivotra madio
Mpikatroka Syriana: Tokony Hatsahatra Ny Herisetra Atao Amin'Ireo Mpiasan'ny Media
Mampiaka-peo ny fikambanan'ny media ao Syria ho fanoherana ny fitomboan'ny herisetra ataon'ny vondrona djihadista amin'ireo mpanao gazety ao amin'ny firenena
Nataon'i Arabia Saodita Ho Ara-dalàna Ny Fihazonana Tsy Misy Fetra
Vao avy nankatoavin'i Arabia Saodita ny lalàna iray manome fahefana ny mpitsara hitàna olona tsy misy fetra ao anaty firenena iray izay lazain'ireo mpikatroka mafàna fo fa misy olona hatramin'ny 30.000 tazonina tsy misy fitsaràna
Ao Japan, Mametraka Ireo Mpialokaloka Ho Eny Alohan'ny Sehatra Ny Fandaharan'ny Radio Sy Ny Loza Voajanahary
Efa ho 10 taona i Katsuya Soda no niasa nitondra ny olan'ireo mpialokaloka ho eo anoloan'ireo Japone tsy dia mpiraharaha loatra. Tato ho ato, nahazo tohana fanampiny izy.
Olona 7 Avy Ao Amin'ny Tranokalam-baovao Momba Ny Teknolojia Nosamborin'i Iran
Manana tantara lavabe momba ny famoretana ny fahalalahana ara-dizitaly ny Repoblika Islamika, saingy sokajiana ho pejy vaovao indray ny fisamborana ireo olona marobe izay manoratra momba ny "gadget" sy ny teknolojia.