· Janoary, 2013

Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Janoary, 2013

Nizeria: Notànana Noho ny Fangalàna Sary Nataony Ilay Mpisera Twitter

GV Mpisolovava  15 Janoary 2013

Nisahotaka tanteraka ny tontolon'ny bilaogy Nizeriana noho ny fisamborana an'i Egghead Odewole (@eggheader) noho izy naka sarinà milina mandeha amin'ny rivotra mbola eo am-panamboarana ao Kastina, Avaratr'i Nizeria. Niteraka korontana ity sioka ity: @eggheader: Nosamborin'ireo polisy sasany izaho sy ny namako fa naka sarinà toerana misy milina mandeha amin'ny rivotra....

Manorisory Olo-Tsotra ny Polisy ao Kerala, India

  15 Janoary 2013

Namelona adi-hevitra mafana sy ny fomba fitandroana ara-maoraly ny filaminana ao amin'ny fiaraha-monina ny tranga nisy tao Delhi. Ankoatra ny toetran'ny fiaraha-monina, ahoana raha ny polisy indray no manorisory ny olo-tsotra fa tsy misoroka amin'ny heloka tahaka izany? Vao haingana dia haingana tany Kerala no nahitana tranga telo tahaka izany izay niadian-kevitra tao amin'ny media sosialy.

Oganda: Manoloana Ireo Sakana, Tontosa Ihany Ilay Gay Pride Voalohany Natao Tany Entebbe

  15 Janoary 2013

Nisarika ny sain'izao tontolo izao i Oganda tamin'ny 2009 rehefa nanolotra ilay vvolavolan-dalàna " Kill the Gays" na "Vonoy ny Gay") manameloka ny fiarahan'ireo mitovy taovam-pananahana (homosexuel) ny mpikambana iray ao amin'ny parlemanta, ary vao haingana ihany koa ,tamin'ny fiandohan'ity taona ity, rehefa nisy namono i David Kato, LGBT mpikatroka mafàna fo. Nefa tsy nahasakana ny LGBT tany Oganda tsy hanatontosa ilay Gay Pride voalohany tao amin'ny fireneny natao tany Entebbe izany tamin'ny fiandohan'ity volana ity.

Namoy ny Ainy Noho Ny Daroka Baomba Mikendry Ny Hazara Ilay Mpikatroka Pakistaney Khudi Ali

  14 Janoary 2013

Olona 82 no namoy ny ainy nandritra ny daroka baomba namely faritra iray be mponina indrindra ahitana foko Miozolomana Shiita Hazara, tao an-tanàna Atsimo-Andrefan'i Quetta, tamin'ny 10 Janoary 2013. Namoy ny ainy nandritra ny fanafihana faharoa i Irfan Khudi Ali, mpikatroka mazala momba ny zon'olombelona izay tsy sasatry ny nanasongadina ny fanenjehana ny Shiita Hazara...

Sazy Henjana An-tranomaizina No Azon'ireo Bilaogera Vietnamiana “Mpanohitra”

  14 Janoary 2013

Olona 14 no nosamborin'ireo manampahefana Vietnamiana rehefa avy nanatrika fampiofanana tao Bangkok izay nokarakarain'ny Antoko Reformista Vietnamiana na Viet Tan,  satria voalaza fa nandray anjara tamin'ny “hetsika mikendry hanongam-panjakana.” Mpianatra eny amin'ny katolika, bilaogera ary mpikatroka ny zon'olombelona avokoa ny ankamaroan'ireo olona voasambotra. Tamin'ny 9 Janoary teo, nampangain'ny fitsarana ao...

Zana-Bohitra Palestiniana Vaovao Bab Al Shams Tafapetraka ao Jerosalema Atsinanana

Anisan'ny hetsi-pijoroana ao Palestina ny nananganan'ny mpikatroka Palestiniana 250 ny fananganana zana-bohitra vaovao antsoina hoe Bab Al Shams na “Vavahadin'ny Masoandro”, anisan'ny tany ao atsinanan'i Jerosalema nobaboina ary voasokajin'ny fitondram-panjakana Isiraeliana ho anisan'ny “Area E1“. Nisy Fanambarana ho an'ny gazety navoakan'ny Vaomieram-pandrindrana ny Tolom-Bahoaka ao amin'ny habakany androany vao maraimbe, mamelabelatra...