· Avrily, 2012

Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Avrily, 2012

Pakistana : Fihetseham-po Teo Noho Eo Tamin'ny Fahafatesan'Ilay Mpitarika Nasionalista Sindhi

  08 Avrily 2012

Ny 23 Martsa, Karachi (Sindh) dia nampiatrano fivoriana lehibe ho an'ny fahaleovantenan'i Sindh amin'ny fanjakana ao Pakistana. Ilay fivoriana lehibe dia nokarakarain'ilay Jeay Sindh Qaumi Mahaz (Ho ela velona ny Manda Nasionaly Sindh) teo ambany fifehezan'i Bashir Khan Qureshi izay nanao ny fampielezan-kevitra tamin'ilay fivoriana mba hahazoana fanohanana avy amin'ny olona...

Lahatsary: Fandripaham-behivavy Sy Kilongavavy Any Shina Sy India

  05 Avrily 2012

Eo amin'i India sy i Shina, 200.000.000 ny isan'ny zazavavy “manjavona” noho ny fanalan-jazarano vavy na noho ny fandaozana sy famonoana kilongavavy. Maro ny lahatsarim-panadihadiana na vaovao mitatitra ity tranga ity, miezaka ny hanazava ny anton'ny fanavakavahana ara-pananahana ity ary mitady ny zavatra azo atao momba azy ity. Amin'ny “Voambolana telo...

Etiopia: Tratran'ny Findain'ny Kamera ny Fanararaotana Natao Tamin'ny Ankizy

  04 Avrily 2012

Naneho hevitra mikasika ilay finday nandrakitra lahatsary tao amin'ny Youtube ny mpiserasera Facebook Etiopiana,  lahatsary izay mampiseho zazavavy kely iray ampijalian'ny reniny tsy an-kiato. Fotoana fohy taorian'ny fandraketana ny sary, nikarakara fanentanana antserasera ho amin'ny rariny ny mpiserasera Facebook tamin'ny alalan'ny fananganana vondrona Facebook antsoina hoe “Etiopiana Manohitra ny Fanararaotana Ankizy”: Mikasika ny zava-nihatra tamin'ity...

Ejypta: Ny Karapanondronao, Ny Zonao Ry Vehivavy

Araka ny tarehimarika avy any amin'ny Ministeran'ny Atitany Ejypsianina, mahatratra 4 tapitrisa ireo vehivavy eto amin'ny firenena no tsy manana  kara-panondro. Ny vehivavy tsy manana kara-panondro dia tsy manan-jo hanan-tany, tsy afaka mividy na mivarotra tapakilan-drenivola ary tsy afaka mandova raha misy ny fahafatesana eo amin'ny fianakaviana. Mandrara ny vehivavy tsy hiditra amina karazana raharaham-panjakana ihany...

Miezaka Ny Hiditra Indray Ao Shina Ve Ny Facebook?

  03 Avrily 2012

Niverina avy any Shina ny Tale Jeneralin'ny Facebook, Mark Zuckerberg. Maro ireo mpanao gazety tany an-toerana sy ireo mpiondana aterineto no nahatsikaritra azy sy ny sipany, Priscilla Chan, tao Shanghai tamin'ny Talata lasa teo, 27 Martsa, ary indray mandeha indray, niparitaka toy ny afo ny honohono tany anaty aterineto: Mikarakara ny hiverenany indray ao Shina ve ilay mpanjakan'ny tambajotra sosialy?