· Jona, 2011

Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Jona, 2011

Ejipta: V na hoe Virijiny sa tsia?

Taorian'ny fanamarinana ilay vaovao manafintohina momba ny fitsirihana ny maha-virijiny na tsia an'ireo vehivavy nanao hetsi-panoherana izay voatàna nandritra ny revolisiona Ejiptiana, hatezerana moa izany, tsy ireo vehivavy Ejiptiana ihany, fa hatramin'ny lehilahy izay tsy nety nino mihitsy fa hoe ireo niady ho an'ny fahamendrehana sy ny fahalalahana no hisetrasetrana amin'ny fomba mahamenatra tahaka izany.

Siria: Manao Hetsi-Panoherana ho an'ny Hoavin'ny Ankizy

Miteny anatinà andian-dahatsary mahavaky fo ao amin'ny Youtube ireo tanora tra-doza tao Siria, milaza amin'ny antsipirihany ny zava-doza niainan'izy ireo sy ny fianakaviany andro aman'alina nandritra ireo fotoanan'ny revolisiona tao amin'ny fireneny nanoherana ny fitondran'i Bashar Al Assad. Ny hetsi-panoheran'ny androany Zoma dia natolotra ho an'ireo ankizy Siriana sy ny ho avin'izy ireny.

Shina: Fiampangana voalohany ‘Jasmin’

  03 Jona 2011

Nivoaka androany ny didim-pitsarana voalohany ilay mpikatroka miaro ny zon'ny sarambambe ao Chengdu, Li Shuangde, 47 taona, taorian'ny fisamborana sy fitazonana azy matetika nandritra ity lohataona ity.    Taorian'ny fitazomana azy nanomboka tamin'ny 23 martsa, nohelohina ho nanao hosoka “carte de crédit” i M. Li tamin'ny Alarobia teo ary voasazy higadra mandritra ny...