· Janoary, 2011

Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Janoary, 2011

Jordania: Afaho i Taher Nassar!

Tahir Nassar, mpisolovava iray sady kandida nirotsaka hofidiana tao amin'ny antenimiera, dia nosamborina sy notànana any am-ponja Jordaniana noho ny fiampangana azy ho "nihantsy ady eo amin'ny sekta." Ny helok'i Nassar dia ny fandaharan'asam-pifidianany izay mampibaribary ny fanavakavahana mianjady amin'ireo Jordaniana manana fiaviana Palestiana. Naneho hevitra manodidina ilay vaovao ireo mponin'ny aterineto.