Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Desambra, 2022
Nolavin'i Qatar ny fanonerana ny mpiasa nanangana ireo fototrafitrasan'ny amboara erantany FIFA 2022
Telo herinandro mialoha ny fiadiana ny amboara eran-tany FIFA 2022, nolavin'ny minisitry ny asa ao Qatar ny antson'ireo vondrona mpiaro ny zon'olombelona mba hanonerana ireo mpiasa mpifindra monina nandray anjara tamin'ny fananganana ny kianja sy fotodrafitrasa hafa.
Nepal: fifidianana nisy fandraisana anjaran'ireo antoko politika nampangain'ny vahoaka ho namono ny havany, zara raha nisy olona nandeha nifidy
Ny 20 Novambra, nilahatra handatsa-bato ireo Nepaley manerana ny firenena, ka 11.453 no fitambaran'ireo mpirotsaka hifaninana ho amina seza 825, 275 ho ao amin'ny parlemanta ary 550 any amin'ireo antenimieram-paritra.
Mihilana amin'ny fanasazian'ny rosiana sy maneso ilay fandraràna azy tsy hivezivezy i Margaret Atwood, mpanoratra ny ‘Handmaid's Tale’
Nanatevin-daharana an’ilay mpilalao sarimihetsika avy any Hollywood Jim Carrey tamin'ny fanesoana ny fandrarana ny fivezivezena mankany Rosia nampiharina tamin'izy ireo tamin'ny andian-tsazy farany nataon’i Kremlin ho an'ny Kanadiana ilay Kanadiana poeta sady mpanoratra Margaret Atwood
Nokendain'i Torkia ny fidirana aterineto taorian'ny fipoahana nahafatesana olona tao Istanbul
“Mampitahotra kokoa ny rehetra amin’ny fanafoanana ny haino aman-jery manontolo ireo manery fandrarana ny fampielezam-peo, izay heverina fa mba tsy hikorontanan'ny vahoaka.