Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Aogositra, 2022
Hira dimy hankalazana ny Andron'ny Vahoaka Indizeny
Ny mozika dia fomba iray hanoherana ny fandrahonana mianjady amin’ny fomba fiainan'ny vahoaka indizeny, ny fiteniny ary ny kolontsainy noho ny mpanjanaka sy ny herisetra, ny fiovaovan'ny toetr'andro, ny fanavakavahana ara-toekarena sy ara-pirazanana, ary ny fampiraisana ara-kolontsaina.
Bitsihan'ny governemantan'i Bangladesh ny fantsona TV tsy hampiasa ny voambolana ‘Indizeny’ rehefa miresaka fiaviana ara-poko
Tamin'ny 19 Jolay 2022, namoaka toromarika ho an'ny fantsona fahitalavitra 35 ny Minisiteran'ny Fampahalalam-baovao sy ny Fampielezam-peo niangavy azy ireo tsy hampiasa ny voambolana hoe "Adivasi" (vazimba teratany).
Niditra tamin'ny fanampenam-bava ny media tsy miankina ny antoko eo amin'ny fitondràna ao Zeôrzia
Nolazain'ny antoko "Georgian Dream" fa ilay doka dia manoso-dratsy ny antoko, manohintohina ny hoaviny manoloana ny fifidianana
Kiadin'ny Fitenenana kaontinantan'i Amerika miatrana manoloana ny fivoaran'ny teknolojian'ny fitsikilovana
Miha-miroborobo ny fomba fanao sy ny teknolojia fanaraha-maso ao amin'ny kaontinantan'i Amerika. Na izany aza, miezaka manara-maso ireo fivoarana ireo ny fikambanana eo an-toerana sy iraisampirenena, manao fanentanana ary mitolona hahazo fandresena ara-pitsarana mba hamerana ny fiantraikany ratsy eo amin'ny vondrom-piarahamonina.
Miomana hampihatra rafitra kaody ara-pahasalamana sy fampiharana fikarohana ireo nifandraisana, mitovy amin'ny ao Shina, i Hong Kong
Mety hampihatra rafitra kaody ara-pahasalamana mitovy amin'ilay ampahany miloko telo an'ny tanibe Shina i Hong Kong mba hampihenana ny fihanaky'ilay valanaretina COVID farany, araka ny voalazan'ny lehiben'ny fahasalamana vaovao ao an-tanàna.
Miitatra hatrany am-pianarana ka hatramin'ny vakansin'ny ankizy ny teknolojiam-pitsikilovana
Mampiasa teknolojia fanaraha-maso amin'ny sehatry ny fampianarana i Shina ankehitriny. Takiana ny mpianatra ankehitriny mba hanao ny entimodiny fahavaratra miaraka amin'ny "penina somaritra" izay manara-maso sy mandraki-tsoratra.
Nahoana no mbola ambany be ny fanamelohana ireo mpanolana ao Nizeria
Lasa tsy zakan'ireo lasibatry ny fanolanana izay mitolona hanadino ny zava-niainan'izy ireo ny raharaha fanolanana tsy nisy fanamelohana any Nizeria.
Tohizan'ireo vondrona kambodziàna mpiaro zon'olombelona ny fitakiana ny rariny ho an'i Kem Ley, mpandalina maty nisy namono
"Ho tsaroantsika hatrany i Kem Ley satria niteny ny marina tao anaty fiarahamonina izy, ary sahy nilaza ireo tsy fahombiazan'ny manampahefana."
Fifanarahana momba ny angovo eo amin'i Azerbaijan sy ny Vondrona Eoropeana: Angovo aloha vao zon'olombelona
Nanasonia Memorandum of Understanding (MoU) tao an-drenivohitra Baku i Azerbaijan sy ny Vondrona Eoropeana, izay mamaritra ny drafitra ho an'ny fifanarahana momba ny angovo stratejika. Misalasala manoloana ny fifanarahana vaovao ireo mpitsikera.
Tatitry ny “Unfreedom Monitor”: Sodàna
Efa anaty tatitra izao ny fikarohana nataon'ny Advox momba ny jadona nomerika ao Sodàna. Vakio ny sombiny, ary trohy ny PDF manontolo.