Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Jona, 2022
Ao anatin'ny haintany sy ny krizin'ny toetrandro, atrehan'ny Fanjakana Meksikàna ao Querétaro ny mety handraisain'ny tsy miankina ny ranony
Misintona lakolosy momba ny olana aterak'ireo volavolan-dalàna roa izay mety hitarika ny fandraisan'ny tsy miankina ny asam-panjakàna mahakasika ny rano, ireo mponina sy ireo mpikatroka ao Querétro, Fanjakana Meksikàna iray miatrika ny krizin'ny haintany.
Ao an-drenivohitr'i Azerbaijan, antso ho an'ny fampitsaharana ny tsimatimanota atao an'ireo mpikatroka
Vondrona mpikatroka anaty fiarahamonim-pirenena iray nanomana famoriambahoaka tao Bakou, mitaky ny fampitsaharana ny tsimatimanota atao amin'ireo mpanakiana ny governemanta, ireo mpikatroka ara-politika ary ireo mpanao gazety.
Mihetsika mitaky fitoviana manoloana ny fanambadiana ireo mpikatroka ao Thailandy
Fanangonan-tsonia iray no natomboka hanolorana fanitsiana ny Fehezandalàna sivily sy ara-barotra mba hahafahana mandrakitra an-tsoratra ny fanambadiana eo amin'ny olona roa, samy lahy na vavy.
Ao Azerbaijàna, mampahonena ny fahalalahan'ny media araka ny voalazan'ireo manampahaizana
Amin'izao fotoana izao izay farafahakeliny mpanao gazety efatra no mbola voafonja, ary voasakana ireo tranonkala Web tsy miankina sy mpanohitra, ary manjaka ao Azerbaidjan ny sivana, dia tsy misy antony mihitsy hiravoravoana amin'ity anio ity.