Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Janoary, 2022
Herintaona taty aoriana, mbola mitohy ny fanoheran'ny Oniversite Boğaziçi
Na dia nesorina aza ilay rektora notendren'ny governemanta mampiady hevitra, Melih Bulu, mbola manohy manao fihetsiketsehana ao amin'ny anjerimanontolo ny mpampianatra ambony sy ny mpianatra.
Lasibatry ny Minisiteran'ny Atitany amin'ny vesatra fampihorohoroana mampiady hevitra ny Kaominina Istanbul
Ity fanadihadiana ity no fifandirana farany indrindra teo amin'ny Antokon’ny fitondrana Rariny sy ny Fampandrosoana (AKP) sy ny Antoko mpanohitra lehibe Antokon'ny Vahoaka Repoblikana (CHP).
Aiza ilay Qatari mpiaro ny zon'olombelona Noof Al-Maadeed?
Nandositra nankany Angletera ho fiarovana ny ainy manoloana ny rainy, niverina an-tanindrazana tao Doha izy rehefa nahazo antoka tamin'ny manampahefana Qatari fa ho arovana. Nanjavona izy andro vitsy taorian'izay.
Tsy niraharaha ny fangatahan'ny governemanta malayziana hanivana sioka momba ny famaliana tondra-drano ny Twitter
Voapetaky ny governemanta malayziana marika hofafàna ny rantin'ireo mpisera Twitter mitsikera ny fitarazohan'ny fomba fiasan'ny governemanta tamin'ny tondradrano, nampahafantarin'ny Twitter ny mpiserany ny fangatahana fa tsy nosivaniny.
Tantara 10 momba ny mari-panondroana mainty sy vazimba avy ao Amerika Latina tamin'ny taona 2021
Vakio ireto tantara 10 miresaka ny mari-panondroana sy ny fiahiana ny tontolo iainana ary ny fisoloantena anjotran'ny maity sy ny vazimba ireto.
Undertones: Herisetra an-jotra ao Myanmar, Pakistan rakotra zavo-tsetroka
Maneho hevitra ankarihary amin'ny media sosialy ny mpanohana ireo miaramila ao Myanmar, manao ho lasibatra ireo mpanohana ny demaokrasia. Ary manakombona ny feon'ireo mandranty ny haratsin'ny rivotra ao amin'ny faritra ny governemantan'i Punjab ao Pakistan.