Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Aogositra, 2021
Naratra nandritra ny fihetsiketsehana manohitra ny “tsy maintsy” hanaovana vaksiny ho an'ny rehetra ny praiminisitra ao Saint-Vincent sy Grenadines
Nilaza ireo mpanao fihetsiketsehana fa hanitsakitsaka ny zon'ny vahoaka ny tolokevitra fanitsiana ny volavolan-dalàna ary niampanga ny governemanta ho tsy nahavita nifampiresaka momba io olana io.
Hetsika #Lawan mitaky ny fialan'ny praiminisitra Malayziana amin'ny fiatrehana ilay valan'aretina
"Ahitana tanora maro ny mpanomana ity hetsi-panoherana ity, ary derainay ny fitiavana sy ny fanoloran-tenan-dry zareo ho an'ny firenentsika."
‘Maohi Lives Matter': Manameloka ny andrana nokleary ataon'ny Frantsay ny mpanao fihetsiketsehana any Tahiti
"Raha ny kajikajy nataonay, avy amin'ny fanombanana ara-tsiantifika araka ny fatra voaray, dia olona eo ho eo amin'ny 110.000 eo no tratra, saika ny vahoaka Polinezianina iray manontolo tamin'izany."
Bielarosiàna mpihazakazaka haingam-pandeha, noroahan'ireo manampahefana Belarosiàna handao ny Lalao Olaimpika, milaza fa hangataka fialokalofana
Nanambara i Krystsina Tsimanouskaya, 24 taona, fa tsy atahorany ny ho ahilika tsy ho ao anaty ekipam-pirenena, fa ny hogadraina raha vantany vao tafaverina ao Belarosia.
Belarosiana mpikatroka nanjavona hita faty tany Okraina
Nandao an'i Belarus i Shyshou tamin'ny mihintsan-dravina 2020 noho ny tahotra hohenjehin'ny fanjakana, ary nanorina sy namelona ny Trano Belarosiana ao Okraina (BDU), fikambanana iray tsy mitady tombombarotra manohana ireo olompirenena Belarosiana mandositra ny fanenjehan'ny fitondrana ao Belarus.
Vehivavy fahadimy novonoina tany Azerbaijan tao anatin'ny 10 andro
Vehivavy iray nokendaina ho faty tao Azerbaijan no niharamboina fahadimy novonoina noho ny fifandirana tamin'ilay nahavanon-doza tato anatin'ny 10 andro lasa.
Enintaona ny #NiUnaMenos: Ireo fandresena sy fitakiana vaovao an'ny hetsika feminista ao Arzantina
Nahombiazana ary nametraka andiam-pitakiana vaovao ireo fikambanana feminista mihoatra ny 200 ao Arzantina notarihan'ny Ni Una Menos hatramin'ny nanaovany hetsi-panoherana voalohany tamin'ny taona 2015.