Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Oktobra, 2020
Kôety: Fifidianana, klinika mampiahiahy ary mpiasa an-trano atao ratsy fitondra
Fintina vaovao avy amin'ny tontolon'ny bilaogy kôetiàna, miainga avy amina lahatsoratra momba ny fiantraikan'ny fanairana noho ny gripan-kisoa ka mandalo amin'ny sompatra manahirana tamin'ny fanontàna ireo antontan-taratasy ofisialy, ary hatramin'ny toedraharaha sarotra momba ny maha-olona manjo ireo mpanampy an-trano
Niteraka ahiahy momba ny zon'olombelona ny lafatra ‘fiarovana an-tserasera’ vaovao any Oman
Nandany didy hitsivolana vaovao manome fahefana feno ho an'ny manampahefana hifehy ny aterineto sy ny angondrakitra rehetra ampitaina ao amin'ny firenena ny Soltanà an'i Oman.
Facebook, mandà ny fiampangàna azy ho manampy trotraka ny kabarim-pankahalàna sy mpomba ny BJP ao India
Ny 16 Septambra, namoaka fanambaràna iray ny lehiben'ny Facebook ao India nandàvany ireo fiampangana ity goavan'ny media sôsialy ity ho maka tombony amin'ny fanomezana sehatra ny kabarim-pankahalàna ao India.
Ao Krimea, tsy lanin'ny vavonin'ny hafa ny fisian-dramatoa Liza Bogoutskaïa sy ny fombàny an'i Okraina
Ny fombany tsy mitsitsy teny manohitra izay heveriny ho toy ny fibodoana tsy ara-dalàna ataon'i Rosia ao Krimea toerana nahaterahany dia nahatonga an'i Liza Bogoutskaïa ho olona iray ankafizin'ireo mpomba an'i Okraina ety anaty tambajotra. Fa izany koa anefa dia nahatonga azy ho fahavalon'ny fanjakana rosiàna
Nosakanana ny tranonkala nampiseho ny fanaovan'ny miaramila kolikoly any Myanmar
"Asehon-dry zareo ny fitomboan'ny tsy fandeferan'ny governemanta manoloana ny fahalalahana maneho hevitra izany ary miezaka manafina ny heloka bevava sy ny kolikoly ataon'ny miaramila. "
Ao Bolivia, mihaika ny fetin'ny fahaleovantenan'i Bolivia ny vahoaka tompotany Aymara
"Tsy nidika fanafahana ho anay Aymara ny fahaleovantenan'ireo firenena ireo. Ho anay, fiovàna "tompo" ihany ilay izy, avy amin'ny fihoaram-pahefan'ny espaniola mankany amin'ny fihoaram-pahefan'ny taranany."