Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Septambra, 2020
Salvadaoreanina anarivony miaritra COVID-19 tsy manan-drano isasana tanana
"Tena tsy afa-po mihitsy aho sady tezitra ka mihevitra ny handao an'i El Salvador raha vao tapitra ity areti-mandrindrana ity "
Miontana amin'ny fanoheran'i Naomi Osaka kalazan'ny tennis ho fanohanany ny Black Lives Matter i Japana
Alohan'ny maha-athleta ahy dia vehivavy mainty aho. Ary amin'ny maha-vehivavy mainty ahy, dia mahatsapa aho fa misy ny raharaha lehibe eo ampelatanana mila fifantohana avy hatrany.
“Leo i Khon Kaen”: Hetsi-panoherana manohana ny demokrasia any avaratra atsinanan'i Thailandy
Tsy tao an-drenivohitr'i Bangkok fotsiny no nisy ny hetsi-panoherana notarihin'ny tanora tao Thailandy. Ity misy tatitra iray momba ny fihetsiketsehana lehibe tany amin'ny faritra avaratra atsinanan'ny firenena.
Poeta mpikatroka Myanmar voaheloka noho ny fanoherana ny fahatapahan'ny aterineto
Nisongadina tao amin'ny fihetsiketsehana ny sora-baventy manao hoe: “Nakatona ve ny aterineto hanafenana heloka an'ady sy hamonoana vahoaka?”
Karaiba : Momba ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety
Ry mpanao gazety [...], rehefa fankalazana ny andron'ny 3 May, Andro Erantany ho an'ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovana Gazety, manantena aho fa ho tsaroanareo ny fomba niainanareo am-pilaminana teto
Mbola tsy hita i Abubakar Idris Dadiyata avy any Nizeria, herintaona taorian'ny fakana an-keriny azy
"Nahoana no very tsy misy soritra mandritra ny herintaona tany Nizeria i Dadiyata kanefa tsy miraika akory ny amin'izany ny governemanta fa mitady fanadiovan-tena ary tsy mandray andraikitra feno amin'ny fitadiavana azy ?"
Ejipta: Antsafa natao tamin'ilay mpanao herisetra amin'ny “Baha'is”
Tsy nahagaga ahy ireo teny nambaran'i Mohamed; efa im-betsaka aho no nandre momba ireo Kristiana, Jiosy, pelaka sy "Ny Hafa" teto amin'ity planeta ity ; Ilay "Hafa' no tondroina mandrakariva ho tsy mpino ... ahilika...ankahalaina... [...] inona no hoavin'ny firenena iray izay ny ankamaroan'ny mponina ao aminy no manda tsy hanaiky ny "Hafa" ?