Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Desambra, 2019

Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Desambra, 2019

Governemanta ao Nizerià, mandidy ny hamotsorana an'i Omoyele Sowore, mpanao gazety sy mpikatroka ho an'ny zon'olombelona

Ny Aogositra i Omoyele Sowore no nosamborina rehefa nampangaina ho namadika, nanao famotsiambola ary nila vaniny tamin'ny filoha Muhammadu Buhari tao Nizerià. Nidoboka am-ponja izy na nisy aza ny didim-pitsaràna navoaka nandidy ny hamotsorana azy.

Noafahan'ny fitsarana angoley ilay mpanora-gazety Rafael Marques

Navotsotry ny fitsarana taorian'ny fifanarahana nataony tamin'ireo mpitory ilay Angoley mpanora-gazety sady mpikatroka Rafael Marques izay voampanga ho nanao fanalam-baraka.

Satria mankalaza ny faha-15 taona ny Global Voices, ireto ny lahatsoratra notsongain'ny ekipa Karaiba

Tsingerintaona faha-15, GV! Nisafidy ny lahatsorany 15 tsara indrindra tamin'ity taona 2019 ity ny ekipa Karaiba, manomboka amin'ny fihetsiketsehana mahery setra an-dalambe, ny krizin'ny mpitsoa-ponenana ary ny tantaran'ny rariny. Fizarana voalohany amin'ny dimy.

Voampanga ho nanao herisetra ny polisy Indiana rehefa nanaparitaka ny fihetsiketsehana manohitra ny CAA tarihin'ny mpianatra ao Delhi

Fantatra fa hitohy manerana ny firenena ny fihetsiketsehana sy ny diabe mba hitakiana fandraisana andraikitra amin'ny herisetran'ny polisy amin'ireo mpianatry ny oniversite Jamia Millia Islamia ary koa ny fanafoanana ny Citizenship Amendment Act.

“Mandoro boky sy mandevina mpampianatra ambony”: fandoroamboky miteraka fahatezerana ao amin'ny media sosialy shinoa

"Ahoana moa no iresahan'ny tanora ny fiantraikany ara-tontolo iainana fotsiny amin'ny fandoroana boky? Fa tsy mbola nahafantatra ny sariohatra ara-tantera navelan'ny “fandoroana boky sy fandevenana mpampianatra ambony” ve ry zareo?"

Zazavavy 11 taona nanomboka fanangonantsonia fitakiana ny fialàn'ny filoha meksikàna

Zazavavy meksikàna iray, 11 taona, nanapaka hevitra ny hanao fanangonantsonia hitakiana ny fametraham-pialàn'ny filoham-pireneny, Enrique Peña Nieto, noho izy tsy niraharaha ny fanjavonan'ireo 43 mpiofana ho mpampianatra .

Hongria, ateveniny amin'ny alàlan'ny fametrahana tranonkala sy fanenjehana eny amin'ny fitsaràna ireo fitaovana entiny miady amin'ny mpitsoa-ponenana

Hamafisin'i Hongria ny hetsika ataony hibahanana ilay drafitry ny Fiombonambe Eoropeàna hitsinjara ireo mpialokaloka miisa 120.00 manerana ny tanibe.

Nahoana no mila faranana ny ‘Chhaupadi’ fomban-drazana Nepaley mahafaty

Maro ny zazavavy sy vehivavy ao amin'ny faritra andrefana sy ny farany andrefana ao Nepal no maty noho ny fanilikilihana ateraky ny fombandrazana naharitra anjato taonany tsy tia fadimbolana ka mandrara zavatra maro mandritra izany fadim-bolana izany.

Chhaupadi, Fomban-drazana Nepaley manilika ny vehivavy mandritra ny fadim-bolana

Na dia nandràra ny chhaupadi aza ny Fitsarana Tampony Nepaley tamin'ny taona 2005, dia mbola miorim-paka mafy any amin'ireo tanàna be havoana saro-dalana izany.

Firaisankina ho an'i Yuli Riswati, ilay Indoneziana mpiasa an-trano noroahana fa nitantara momba ny fihetsiketsehana tany Hong Kong

"Izahay dia manameloka ity fihetsika ity izay mety natao hampitahorana ireo mponina tsi-maharitra ary hanakana azy ireo tsy handray anjara na hitatitra sy haneho hevitra momba ny hetsika politika eto Hong Kong."