Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Septambra, 2019
Mahatsiaro ny fanafihan'ny Sovietika an'i Tsekoslaovakia tamin'ny taona 1968
Tanora Tseky am-pahatelony mahery no tsy mahay mampifandray ny datin'ny 21 aogositra 1968 sy ny fanafihan'ny Sovietika an'i Tsekoslaovakia.
Netizen Report: Roa taona taorian'ny fandosirana ny fanafihan'ny miaramila tany Myanmar, miatrika fanapahana finday ao Bangladesh ireo mpitsoa-ponenana
Nesorina tamin'ireo mpitsoa-ponenana ny fidirana amin'ny finday ao Bangladesh, mamaly ny fanafihana DDoS ny forum web Hong Kong, ary manitatra ny fifehezana ny aterineto i Torkia.
Olona an-tapitrisany ao Assam avaratra atsinanan'i India atahorana ho very zom-pirenena
Manodidina ny 1,9 tapitrisa eo ireo olona mety hiharan'ny tsy fananana zom-pirenena ao amin'ny fanjakana avaratra atsinanan'i India, Assam rehefa avy nesorina tao amin'ny Rejistra Nasionalin'ny Olom-pirenena (NRC) nohavaozina.
Pelaka ao anaty fifaliana an-kira (T & T)
Mendrika hirehareha amin'ny tenanao ianao, ny hatsaranao tsy hananam-piry. Mandrosoa, omeo hafaliana lehibe ny tenanao.
Syria: ao an-tsainay i Gaza (2009)
Maresaka be ny bilaogera Syriana hatramin'ny nisian'ny daroka baomba tany Gaza. Ho an'ny Syriana maro, noho ny fakana maripanondroana miorim-paka lalina sy ela tamin'ny vahoaka Palestiniana izany. Ho an'ny sasany indray, misy ny lafiny tena manokana
Nanao fangatahana tany amin'ny Firenena Mikambana sy ny Vondrona Afrikanina ireo mpiaro ny zon'olombelona noho ny fitazonana ilay Nizeriana mpitarika hetsi-panoherana
"Mazava fa noforonina fotsiny ho an'ny tanjona hampanginana an'i Sowore ny fiampangana asa fampihorohoroana tsy mari-pototra izay nanenjehana azy."
Raha mandravarava an'i Bahamas ny tafiotra mahery Dorian, hiaka iray kosa ho an'ireo vahoakan'i Karaiba hiatrehana ny olan'ny toetrandro
"Tsy olana politika na ny fisiana antoko roa izy ity; fa filàna ho amin'ny zon'olombelona manoloana ny faharatsian'ny toetrandro erantany."
Manapaka ny servisim-pinday ho an'ny Rohingya i Bangladesh
Nanome baiko ny orinasam-pifandraisandavitra ao aminy ny governemanta Bangladeshita hanapaka ny fidirana finday any amin'ny toby Rohingya amin'ny lazaina ho ‘fiarovam-pirenena'.
Misambotra ireo mpitarika mpikatroka maro tsy tia fampodiana-fandroahana tsy misy toy izany ny polisin'i Hong Kong
Nanova paikady ny governemantan'i Hong Kong ka rehefa nataony ny paikady famoretana hihazona ireo mpanao fihetsiketsehana eny amin'ny toerana anaovana fihetsiketsehana dia ny fisamborana tambajotram-pikatroka pro-demaokrasia maromaro sy ireo mpitarika indray no ataony.
Burundi : namely olona maherin'ny 5 tapitrisa ny tazomoka, ho an'ny tapany voalohany monja tamin'ny taona 2019
Ao Burundi, olona 5.738.661 no tratry ny aretina tazomoka tamin'ity taona ity, efa ho ny antsasaky ny mponina ao aminy. Kanefa misalasala hanambara azy io ho valanaretina ny governemanta.