Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Avrily, 2019

Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Avrily, 2019

Mampanontany ny fepetra noraisin'ny governemanta Sri Lankey taorian'ny daroka baomba tamin'ny Paska: Manampy ny media sosialy sa manimba?

Ny fanapahan-kevitra haingana hanakana ny fidirana amin'ireo sehatra ireo dia milaza fa, amin'ny governemanta Sri-Lankey, mety hanampy trotraka ny fiharatsian'ny toe-draharaha ireo sehatra media sosialy ireo.

Bahrain: Omar Al Bashir sy ny fitsarana mitanila

Maneho hevitra amin'ny vaovao momba ny didy fisamborana ny filoha Sodaney Oma, navoakan'ny Fitsarana Heloka bavava Iraisam-pirenena (ICC amin'ny teny Anglisy).

Koety: Navotsotra ilay bilaogera nogadraina

Taorian'ny tabataba teo an-toerana sy avy any amin'ny faritra, navotsotra tany Koety androany vao maraina ilay bilaogera Koesiana Bashar Al-Sayegh. Raha nankalaza ny famotsorana azy ny bilaogera sasany, ny hafa kosa nampitandrina fa mety ho marika faneriterena bebe kokoa izay mety hampihenana ny fahalalaham-pitenenana ao Koety izany.

Ejypta: Polisy namono tovolahy, 12 taona

Zeinobia, avy any Ejypta, nitatitra fa maty novonoin'ny polisy ilay tovolahy 12 taona voasambotra noho ny fangalarana tany anaty magazay.

Mandrahona ny hanisy sivana ny fitsikerana ny Praiminisitra an-tserasera i Thailandy 

Taorian'ny fitorian'ny governemanta Thailandey ilay mpanao sariitatra Chai Rachawat dia nampitandrina ny Minisitry ny Serasera sy ny Teknolojiam-baovao ao amin'ny firenena fa hanakatona avy hatrany ireo vohikala ahitana fanamarihana manala-baraka ny Praiministra.

Afaho Kareem: Nirotsaka koa ny tao Karaiba

Ny fahalalahana miteny voaporiporitra any ananona any, dia famoriporetana ny fahalalahana miteny manerana ny tany

Malayziana mpikatroka ambany fanadihadian'ny polisy taorian'ny kabary LGBT tao amin'ny Firenena Mikambana

"Ahatsinjovana ihany ny fanohintohinana, ny fampitahorana ary ny fanilikilihana mahazo ny olona LGBT ao Malayzia ny famotoran'ny polisy amin'ny fanambaràn'i Numan. "

Nepal: Mirehitra i Madhesh

Efa taonjato maro ireo Madhesi no natao anjorom-bala. Ao anaty fitroarana izy ireo ankehitrin, izay tsapa ho toy ny ampahany faharoa eto amin'izao tontolo izao manetsika ny Revolisiônan'y Aprily [...] Raha ampahany ao anatin'i Nepal i Madhesh, dia nahoana ireo Madheshis no tsy omena vintana ho afaka hanao raharaha miaramila?

Niteraka hetsi-panoherana tany amin'ireo faritry ny anjerimanontolo any Torkia ny fanararaotana sy ny fanorisorenana ara-nofo 

"Nanery ahy izy ... Nakapokapony teo amin'ny tany in-telo na in-efatra ny lohako . Torana aho. Rehefa nanokatra ny masoko aho dia efa tamin'ny 1.30 maraina ny ora."

Miady hevitra ny blaogy Bangla: Saddam sa i Bush? – iza no meloka indrindra?

Nifarana tamin'ny vaovao lehibe mikasika ny famonoana an'i Saddam Hussein tany Iràka ny taona 2006. Sary maro momban'ny fanantonana azy nohita tao amin'ny Aterineto, izay nahaketraka olona maro. Nangotraka fihetseham-po maro nanoloana ilay zava-nitranga ny tontolom-blaogy.