Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Mey, 2018

Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Mey, 2018

21 Mey 2018

Egypta: Ny lahatsary mampiseho heloka bevava

Nandefa lahatsary iray nalain'ny mpizaha tany tao amin'ny seranam-piaramanidina tany Egypta, izay nahitana ny polisy iray manipy valizy iray tany amin'ny vahoaka, ka nahavoa zazakely iray.......

Mpanao Gazety Tsy Misy Sisintany: Ahoana No Hiarovany ny Bilaogera Ary Ahoana No Hahafanahao Manampy

Tamin'ny volana May 2006, namoaka ny pejiny "Ampio Ireto Bilaogera Ireto" ny Global Voices, izay mampahafantatra ny fidiran'ny fikambanana amin'ny fisoloana vava an'ireo bilaogera mba hiarovana ny fahalalahana miteny ety amin'ny aterineto.

Antilles Frantsay-Gaza: Ankivy Ara-toekarena Ataon'i Israely Ve?

Amin'ny fomba isankarazany, maneho ny firaisankinany amin'ireo mponina ao Gaza ireo Antilles frantsay sy ny ao Karaiba hatramin'ny fiantombohan'ny ady.

Malezia: Hita Amin'ny Lahatsary Amin'ny Finday Ny Fanararaotam-pahefan'ny Mpitandro Filaminana

Zon'olombelona an-tsary

Rehefa nanomboka nanaiky ny tatitra momba ny heloka bevava nalefan'ny olom-pirenena tsotra avy amin'ny findainy ny mpitandro filaminana maleziana, dia tsy nampoiziny fa indray andro any....

20 Mey 2018

Bangladesh-Gaza : Vavaka Ho An'ny Fandriampahalemana Ao Gaza

Ilay 'Mpiambina ny feon'ny fieritreretan'izao tontolo izao, ilay "Andriamanitr'izao tontolo izao", milaza fa ilaina io vonoolona faobe io. Kanefa, io "andriamanitra" io ihany koa no nampiasa tsy nisalasala ireo "heloka bevava mifanohitra amin'ny maha-olombelona" nataony tamin'i Saddam mba hananiham-bohitra sy hakàna an'i Iràka.

18 Mey 2018

Armenia – Azerbaidjana : Tanora Bilaogera Mamita Iraka Hameno ny Hantsana Jeopolitika

Tiako ny mifandray aminà olona samihafa. Isan'ny antony fototra nisoratako amin'ity tetikasa ity, dia ny hahita namana betsaka ato aho, ary mba hianatra lalindalina kokoa ny tsiambaratelon'ny media. Tia mamaky lahatsoratra momba ny kolontsain'ny firenena hafa aho. Mino aho fa hahay zavatra betsaka avy amin'ity tetikasa ity.

Libanona : Fiarahamonina Sy Fifanoherana

Misy karazana fo samihafa: vita amin'ny vy, vita amin'ny fingotra, vita amin'ny kristaly. Iza amin'ireo no tianao hanànana ?

17 Mey 2018

Mitondra Fanantenana Ho Fiarovana ny Hazara Ny Filazana Nataon'ny Lehiben'ny Fitsaràna ao Pakistàna

"Heno ihany no niafaran'ny feon'ìreo vahoaka Hazara. Manome tokim-piarovana sy fahatoniana ho azy ireo ny lehiben'ny tafika. Raha ny lehiben'ny fitsaràna ao Pakistàna kosa namoaka naoty momba ny famonoana ny vahoaka Hazara. Taona maro no lanintsika. Faran'izay mahamenatra tokoa."

Goadelopa : “Nibolisatra” Ny Polisy ?

...raha tokony hampitonitony, dia lasa ilay fanadihadiana indray no loharanon'ny ampahan-tantara iray vaovao mahabe resaka [...] Nizara ity vaovao ity ihany koa ireo mpampiasa Twitter sy Facebook, hatramin'ireo sary, niampanga ampahibemaso sahady ity raharaha ity ho "hadisoana goavana / fibolisarana"

16 Mey 2018

Azia Atsimo: Politika, Hasambarana, Finoana Ary Vorona

Hitantsika amin'ity lahatsoratra manaraka ity ireo vaovao farany indrindra avy amin'ireo blaogy isankarazany mikasika ireo firenena Aziatika Tatsimo.