· Desambra, 2017

Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Desambra, 2017

Fijery Arabo: Feon'Ireo Mpandalina Ny Finoana Silamo

Tsy ireo bilaogera miteny Anglisy avy any Afovoany Atsinanana irery ihany no miezaka tsy an-kiato mampitohy ny hantsana ara-kolontsaina, fa misedra ady mitovy amin'io koa ireo bilaogera miteny Arabo ao anatin'ny tontolon'ny bilaogy Arabo. Mitsikera ny sasany amin'ireo fady anatin'ny rafitra misy azy ireo mpandalina ny finoana Silamo.

24 Desambra 2017

Advocacy: Ampio Hiaro Ireo Bilaogera Eran-tany

Nametraka takelaka manara-maso ireo tranga amin'izao fotoana izahay ato amin'ny Global Voices ho fanampiana amin'ny fanangonana ireo hetsika rehetra manohana ny bilaogera. Manana takelaka wiki ihany koa izahay - Global Voices Advocacy - izay ahafahan'ny tsirairay manampy vaovao momba ireo bilaogera voarahona sy ireo hetsika natao ho azy ireo.

24 Desambra 2017

Topimaso Ao Amin'ny Tontolon'ny Bilaogy Syriana

Taorianà volana henjana noho ireo hetsipanentanana manohitra ny herisetra, toa nitony ny tontolon'ny bilaogy Syriana tamin'ity herinandro ity… Nanodidina ny dingana vaovao nataon'i Etazonia hanome 5 tapitrisa dolara ho fampiroboroboana ny fitondrana demôkratika sy ho fanavaozana an'i Syria ireo adihevitra.

22 Desambra 2017

Sri Lanka : Iraka Tontosa?

Tsy ho tonga miaraka amin'ny fahaverezan'ny faritra nofeheziny ny fiafaran'ny adin'ny LTTE, fa rehefa ho very ny fanohanan'ny vahoaka tamoule azy any amin'ireo faritra izay mbola iadidiany ary any amin'ireo tamoule sri lankey any am-pielezana

19 Desambra 2017