· Jolay, 2017

Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Jolay, 2017

Iran:  Nitokona Ny Mpiasa Noana An'aliny

Nanomboka nitokona tamin'ny herinandro lasa ny mpiasa an'arivony tsy nandray karama tao amin'ny orinasa mpanodina siramamy Haft Tapeh ao Shoush any amin'ny faritanin'ny Khuzestan any Iran . Nandefa ny mpitandro filaminana ny governemanta mba hampiasa famoretana tamin'ireo mpiasa, kanefa mbola nitohy hatrany ny fitokonana.

Bilaogy Bangla: Famahana Fady Sy Adihevitra

  24 Jolay 2017

Manan-jo hanoratra ny mpanoratra rehetra, sy fahalalahana haneho ny hevtr'izy ireo. Saingy tsy midika izany fahalalahana izany fa afaka manoratra na inona na inona izy ireo. Misy fetrany ny fahalalahana. Mino manokana aho fa lohahevitra afaka hiadian-kevitra ny fivavahana. Saingy tokony hifanaja, marina ny adihevitra ary tsy mandratra ny hafa.

Syria: Hetsika Avotsory i Tariq

Malaza ny bilaogy Syriana amin'izao fotoana izao amin'ny fisian'ny famoretana hafa ataon'ny fitondrana Syriana amin'ny fahalalahana miteny. Saingy ny iray taminay indray tamin'ity indray mitoraka ity. Efa teo amin'ny enim-bolana teo ny raharaha Tariq no nanintona ny sain'ireo bilaogera - enim-bolana, mbola any am-ponja i Tariq.

Ejypta: Hetsi-bahoaka Avotsory Kareem Sy Izay Nosoratan'i Kareem

(Fanamarihana: lahatsoratra efa nivoaka tamin'ny volana Martsa 2007 ity adika eto ity) Nisy ny antso ho amin'ny famoriam-bahoaka fanindroany mba hanery ny governemanta Ejypsiana hamotsotra ilay bilaogera nogadraina Abdulkareem Nabeel Sulaiman, 22 taona, mpianatry ny Oniversite Al Azhar taloha, izay voaheloka higadra efa-taona noho ny lahatsoratra navoakany tamin'ny aterineto. Tamin'ny 22 Febroary, nomelohin'ny...