Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Mey, 2017

Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Mey, 2017

Ejypta: Notapahana ny Mpamatsy Tolotra Aterineto Sisa Tafajanona, Ahiana Hotapahana Ihany Koa Ny Tambajotra Finday

Nosakanana ny mpamatsy tolotra aterineto, noor nijoro farany tao Ejypta, tsy misy aterineto intsony ao Ejypta tamin'ny faraparan'ny volana janoary 2011

Meksika: Mpampiasa Twitter Nalaina Am-bavany Noho Ny Bitsika Nahabe Resaka

Nampanantsoina ny Meksikàna iray mpampiasa Twitter amin'ny solonanarana @mareoflores mba hanazava bitsika iray nalefany talohan'ny loza nanjo ny angidimby nitondra ny Sekreteran'ny Atitany tao Meksika, bitsika toy ny efa 'naminany' ny fahafatesany. Mitatitra ireo fanehoankevitra voalohany tao amin'ny Twitter i Miguel Angel Guevara.

Nanakana Ny Fampitam-baovao Tsy Miankina I Azerbaijan (Ary Miaiky Izany)

"Izany no zavatra iray efa navelantsika ary nalain'izy ireo ihany koa. Enga anie Andriamanitra hanafay azy ireo. Tsy mieritreritra afa-tsy ny hanapim-bava ny olona izy ireo"

Netizen Report: Chelsea Manning sy ny Herin'ny Mangarahara

Tamin'ity herinandro ity, navotsotra tany am-ponja ihany i Chelsea Manning, nosivanin'i Okraina ny sehatra habaka Rosiana ary nandrahona hitory an'i Facebook any amin'ny fitsarana i Thailandy.

Mijanona Ho “Hentitra” Hitokona Tsy Hihinan-kanina Iray Volana Ireo Gadra Palestiniana Noho Ny Fepetra Iainana Ao Amin'ny Fonja Israeliana

Tapitra ny telopolo andro ary mbola manohy ny fitokonana tsy mihinan-kanina faobe ireo gadra politika Palestiniana maherin'ny 1.500 ao amin'ny fonjan'i Israely.

Mitaky Ny Famotsorana Ny Mpikatroka Mpiaro Ny Zon'Olombelona Miisa Dimy Notànana Ao Kambodza Ny Fanentanana #FreeThe5KH

Fantatra ho anisan'ny mpifaninana amin'ny famaranana amin'ny Loka malaza ho an'ny Mpiaro ny Zon'Olombelona Martin Ennals 2017 izy dimy

Miteraka Fanavakavahana sy Ahiahy Momba Ny Fiainana Manokana Ny Filitiana Rongony Atao Amin'ireo Olona Mpandray Fanampiana Ara-tsosialy Ao Aostralia

"Ireo valinteny marobe momba ny drafitra andrana fitiliana rongony atao amin'ireo mpandray fanampiana ara-tsosialy"

Lahatsary Mampiseho Ny Fiantraikan'ny Fahafatesana Eo Am-piterahana Eo Amin'ny Fiarahamonina

Rehefa mamoy ny ainy mandritra ny fitondrana vohoka, ny fiterahana na noho ny fahasarotana taorian'ny fiterahana ny vehivavy, dia tsy vitan'ny hoe misy fiantraikany eo amin'ny fianakaviana ihany izany fa koa ny fiarahamonina manontolo

Ejipta: Gaza No Lohateny Vaventy

Entin'i Eman Abd Al Rahman ho antsika ireo lohateny vaventy avy amin'ny tontolon'ny bilaogy Ejiptiana milaza ny fahorian'ireo Palestiniana tao Gaza tamin'ny Janoary 2008. Andro efatra nanaovana fahirano nampilentika an'i Gaza ho anaty haizina, niteraka antso iraisampirenena sy hatezerana teny amin'ny arabe Arabo ho fampitsaharana ny fandripahana.

Nanangana Bilaogy Ho Fahatsiarovana Ireo Mpikatroka Pelaka Namoy ny Ainy Ny Vondrom-piarahamonina LGBT ao Bangladesh

Ahoana no ahafahako miaina eto amin'ity firenena ity, ka raha maty misy mamono aho, dia hisy ny hifaly fa nihena ny olona LGBT? Karazana tanindrazana inona ity, izay tsy misy toerana ho ahy?