Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Desambra, 2016
Mihetsika Amin'ny Fanakanana Ny Tor I Belarosia Hiadiana Amin'ny Fanafenana Anarana An-tserasera
Miroso amin'ny ezaka hanenjehana ny Tor i Belarosia. Kanefa moa ve manana ny fahaiza-manakana ny tambajotra manafina anarana i Minsk ?
Rehefa Mihaona Amin-dry Trumps i Abe
Ny praiminisitra Japoney, Abe no filoha teto an-tany voalohany nihaona tamin'ny Filoha Amerikana voafidy. Raha notaterina fa nety tsara ny fihaonana, tsy ny rehetra tany Japana no faly.
Mbola Manohy Manao Sary Ny Famoretana Atao any An-tànanany Ihany Ilay Venezoelana Mpanao Saritatra Voatery Nandeha an-Tsesitany
Nandritra ny efa ho 20 taona teo, Lasa anton-dresaka sy tsy maintsy jerena isan-kerinandro tao Venezoela ireo kisarisary ara-politikan'i Rayma Suprani. Fa tsy tia azy ireny ny governemanta Maduro ka nanery azy handeha hanao hiaina an-tsesitany.
Manambara Ny Fitsarana Miaramila An'Ireo Mpanao Gazety Fa Fady Ny Manakiana Tafika Ao Tonizia
Mbola mampihemotra ny fanavaozana demaokratika ao Tonizia ny lalàna izay mamela ny fitsarana miaramila handray an-tànana ny raharaha mahakasika ny olom-pirenena, anisan'izany ny mpanao gazety sy ny bilaogera.
Ny Ohatra Fakan-tàhaky Ny Fanampiana Ara-Pahasalamana Nataon'i Kiobà Faha-Fidel Castro Ho An'ny Firenena Afrikàna
Lavitry ny kabary politika, ny fahafahan'ny isambatan'olona ary n y zon'olombelona, tao anatin'ny sehatry ny fifanohanana sy ny fanofànana, indrindra fa ny ara-pahasalamàna, no nivoatra ny fifandraisan'i Kiobà sy ireo firenena Afrikàna, nandritry ny tantara kiobàna teo ambany fitarihan'i Fidel Castro.
Nahazo Sazy 10 Taona An-tranomaizina Tsirairay Avy Ireo Tanora Roa Mpikatroka Nanao Graffiti Tamin'ny Sarivongan'ny Patriarkan'i Azerbaijan
" Tsy tiako ny ho tsarovana amin'ny fialan-tsiny amin'ny teniko farany .Tsy manaiky ny fanagadrana ahy aho. Mankafy ny fahafahana aho."
Milaza ny Mpampianatra Lalàna Fa Fanitsakitsahana Ny Zon'Olombelona Ny Tsy Fahombiazan'ny Fanabeazana Ao Trinidad sy Tobago
Ny fanolorantenan'i Trinidad sy Tobago hatry ny ela mba hisian'ny fanabeazana ho an'ny rehetra dia niara-dàlana hatrany tamin'ny zavamisy henjana iainan'ireo natao anjorom-bàla ao anaty fiarahamonina.
Lasibatry ny Governemanta Sodaney ny Mpikatroka, Tampenam-Bava ny Fampahalalam-baovao Mitatitra Tsy Fankatoavam-Bahoaka
Nanomboka tamin'ny 27 Novambra ny hetsika tsy fankatoavam-bahoaka rehefa nesorin' ny governemanta ny fanampiana ara-bola amin'ny herinaratra, ny akoran'afo ary ny fanafody.
Nanatontosa Fanentanana Hanafoanana Ny Lalàna Manenjika Mpitrifana Nanamelohana Azy Ilay Bilaogera Rosiana
Nanao fanangonan-tsonia hanafoanana ny lalàna andininy faha- 282 ao amin'ny Fehezan-dalàna Ady Heloka Bevava Rosiana ilay bilaogera malaza, Nossik, voaheloka tamin'ity lalàna ity."
Nahazo Fankasitrahana Ihany Ilay Bangladeshita Mpiasan'ny Lalamby Namonjy Lehilahy Iray
"Tsara sy mahafinaritra kokoa izao tontolo izao noho ny asan'ny olona be herim-po vitsivitsy sy marina. Manaja an'ilay mpiandry lalamby Billal aho noho ny asany mihevitra ny maha-olona."