Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Novambra, 2016
Mpitsikera Sarimihetsika Omani Nampidirina Am-ponja Noho Ireo Lahatsoratra Tao Amin'ny Facebook

"Raha mbola misy ny olombelona manararaotra olombelona dia misy ireo nofy revolisionera , ary hanangana ny hoavy ny nofy."
Mamoaka Ny Miafina Amin'ny Sivana Amin'ny Media Sosialy — Amin'ny Teny Arabo, Espaniola Ary Anglisy

Amin'ny fisian'ny teny hafa ankoatra ny Anglisy ao amin'ny tranonkala onlinecensorship.org, manantena ireo mpanorina ny tranonkala fa hampitombo ny "fahasamihafàna" ao amin'ny lahatahiry avy amin'ny vahoaka (crowdsourced data).
Misy Maodelinà Hafatra Sandoka Alefa Ao Amin'ny Facebook, Ampiasaina ho Fialantsiny Hanafihana Ireo Hindo any Bangladesh
Mitohy any Bangladesh ny maodelinà herisetra mampivarahontsana ikendrena ireo vondrom-piarahamonina Hindo sy ireo hafa vitsy an'isa.
Mankahatra ny Famoretana ao India, Mitazona ny Vohitra Misy Azy ho Lavitry ny Loza ireo Tanora Kashmiri Mpilatsaka An-tsitrapo
Tamin'ny telo volana lasa, ny polisy ao Jammu sy Kashmir ary ny miaramila Indiana dia nisambotra olona teo amin'ny 7.000 teo tao amin'ny Lohasahan'i Kashmir, amin'ireo hetsika famafàna lehibe sy asa fikarohana izay mikendry ireo trano, matetika amin'ny alina maty masoandro.
Sarimiaina Efatra Mandala Ny Fifandeferana Ara-pivavahana Sy Ny Fiarovana Ny Ankizy Mpitsoa-ponenana ao Myanmar
Nisy fifandonana tsindraindray teo amin'ireo Bodista nasionalista sy ny vondrona miozolomana vitsy an'isa tao amin'ny vondrom-piarahamonina maro, indrindra fa tany amin'ny faritra andrefan'ny firenena.
‘Mihotakotaka ny Tany’ no Antony Nisamboran'ny Manampahefana Ethiopiana an'i Befeqadu Bilaogeran'ny Zone9

Nolazaina tamin'i Hailu fa noho ny antsafa nataony tao amin'ny Voice of America amin'ny teny Amharika momba ny fahalatsahan'ny firenena ankaterena ao Ethiopia no nisamborana azy.
Mpitarika Antoko Mpomba ny Kiorda Nosamborina Tao Tiorkia, Ao Anatin'ny Fanenjanana Ny Famoretana
Tafiditra amin'ny fanadihadiana hanoherana ny asa fampihorohoroana ny fisamborana an'i Selahattin Demirtas sy Figen Yuksekdag, hoy ny tatitry ny media.
Matory na Maty – Ampahany 1: “Toa Mihiaka Fahafatesana ny Zavatra Rehetra”

"Nandalo ny vatako ny herinaratra. Herinaratra ampy hamatsiana ny mpiray vodirindrina amiko manontolo no nandalo ny vatako. Ny vatako nitafy tapaka nitsirara eo amin'ny gorodona dia tena mpampita herinaratra tsara mihitsy."
Mbola An'arivony No Tsy Manan-kialofana Ireo Tra-boinan'i Haiyan Telo Taona Taty Aoriana
Nomena dikany vaovao ny vonjy taitra. Lasa nampiandrasana sy nangataka hiavotan-tenany mihitsy aza ireo sisa velona raha tokony hahazo fanampiana haingana.
Manohy Misambotra Ireo Mpanao Politika Kiorda i Tiorka, Ary Mametra Ny Fampiasana Aterineto
"Ny zavatra vita androany hariva dia tsy fanonganam-panjakana ihany fa hetsika hampisaraka ny firenena ihany koa!"