Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Aogositra, 2016
Ady Sarotra Ho An'ireo Vehivavy Karibeana Ny Fiarovana Ny Fitovian-jon'ny Vehivavy Sy Lehilahy
Sarotra ny fitsanganana miady ho an'ireo zon'ny vehivavy raha tsy mahantra, mainty, na voahilikilika. Misy bilaogy iray hiresaka ho an'ireo vehivavy Karibeana amin'ilay Karajian'ny Feminisma Mainty ho avy izao any Brezila.
Nahangona Sonia Hatramin'ny 1 Hetsy Ny Fanangonantsonia Amin'ny Tambajotra Manohitra Ireo Lalàna Jadona Fampitsaharana Ny Fampihorohoroana Ao Rosia
Naneho ny firaisankinany tamin'ireo FAI rosiana sy ireo mpanjifa ny tolotra amin'ny finday ireo nanao rangopohy tamin'ny tambajotra, izay nilaza fa ireo lalàna Yarovaya dia sady mamotika ny orinasa mpamokatra aterineto no mamotika ihany koa ireo mpampiasa ny RuNet.
Ny Herinandro Tato Amin'ny Global Voices Podcast: Tsy Maintsy Ampandehanina ny Tsy Fihetsehana
Amin'ity herinandro ity izahay hilaza aminao ny tantaran'ny fihetsiketseham-panoherana, ny voina, ary ny fanavakavahana avy ao Ethiopia, Ejipta, Pakistan, Trinidad ary Aostralia.
Ny Fanjavonan'i Wahid Baloch, Literera Sady Mpikatroka Ara-Tsosialy
"Lehilahy iray niady ho amin'ny famongorana ny fandrahonan'ny fampanjavonana ankaterena no lasa lasibatr'ilay heloka bevava indrindra."
Ahiana Androahana Ireo Tompontany Ao Amin’ny Nosy Panay Ny Fananganana Ny Tohodrano Lehibe Jalaur Ao Filipina
" Tsy mankasitraka ny tetikasa ireo vahoaka izay tena voakasik'izany ."
Miara-miasa Amin'ny Mpanolotena Mpaka Sary Ny Global Voices
Amin'ny fifantohana ao India, manazatra ireo olompirenena niangarana amin'ny alàlan'ny fanaovan-gazety an-dahatsary sy ny fanangonana lahatahiry ny Video Volunteers mba hananan'izy ireo feo any amin'ny fampitam-baovao sy ahafahany mitaky ny zony.
Fakantsary Fanarahamaso Nahitana Fiara Nandona Olona sy Nitsoaka Nahatonga Fanontaniana Hoe : ‘Maty Ve Ny Maha-olona Ao Delhi'?
" Tsy niraharaha an'i Matibool ilay niharam-boina voadona sy nitsoahan'ny mpamily ireo olona nandalo maherin'ny 200 nandeha an-tongotra . Nanome azy daka ny olona iray ary nangalatra ny findainy."
Kianin'ireo Mpikatroka Mafana Fo Ilay ‘Dame De Fer’-n'i India Tamin'ny Fahasahiany Nanajanona Ny Fitokonany Tsy Nihinan-kanina Nandritra Ny 16 Taona
"Tian'izy ireo aho hijanona ho martiora mandrakizay. Kanefa tsy afaka ny ho martiora foana aho."
Manangoly Loatra? Tsy Ampy Anarana? Manasongadina Vehivavy Atleta ao India Ny Dokambarotra Nike
"Mampiseho ny tsy fahafantarana ireo mpanao fanatanjahantena vehivavy na atleta eto amin'ity firenena ity ilay dokambarotra Nike ."
‘Playing For Change / Milalao Ho An'ny Fiovana’ Mampandroso Fihavanana sy Fampidirana Manerana Izao Tontolo Izao Amin'ny Alalan'ny Mozika
'' Nandritra ny dia nataonay dia naharay anatra izahay fa ny mozika no fitaovana tsara indrindra mba hanasitranana ireo firenena , kolotsaina sy fo vaky."