Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Jona, 2016
Tsy Mety Amin'ireo Vehivavy Pakistane Ny Faneken'ny Filankevitra Silamo Ny Herisetra ‘Maivana’ Ao An-tokatrano
Eo an'ivon'ny fahafaham-baràka nasionaly ny Filankevitry ny Fotokevitra Silamo ao Pakistàna, noho ilay tolodalàna natolony, izay manao ho ara-dalàna ny herisetra “malefaka” ao an-tokatrano.
Manampy Ireo Mpitsoaponenana Any Eorôpa Hahazo Aterineto
"Laharampahamehana ho an'ireo mpitsoaponenana vao tonga ka te-hampahafantatra ireo olon-tiany fa salama tsara izy ireo, ny fifandraisana amin'ny fianakaviana."
Nahitana Fitaovana Mampiahiahy Tao Amin'ny Biraon'ny Mpandini-dRaharaham-Pirenena Hongroà Iray Ka Nahatonga Ahiahy Fitsikilovan'ny Fanjakana
Nosavaina ny biraon'ny Ekint taorian'ny nilazan'ny lehiben'ny biraon'ny Praiminisitra fa manodikodina ny politikan'ny fifindra-monin'ny firenena amin'ny alalan'ny fikambanana naoriny ilay mpandraharaha Hongroà-Amerikana George Soros.
Manana Olana Ara-Pahasalamana Tsy Mahazo Onitra Ny Mpiasan'ny Kariera Ao Myanmar
Mpifindra monina anatiny ny ankamaroan'ireo mpiasa izay mody any an-tranony hitsabo tena rehefa tsy zakany ny olana mahazo azy ara-pahasalamana.
Voahodidin'ny Korontan-trano Rava, Naato Ny Nofinofin'ity Mpivarotra Voninkazo Ao Syria Ity
"Rehefa tapitra ny ady, maniry ny hiverina aho mba hanohy ny nofinofiko."
Tanzania : Lehilahy Iray Mety Higadra Telo Taona Noho Ny “Faniratsiràna” Ny Filoha Tao Amin'ny Facebook
Nitontona tamin'ny voalazan'ny lalàna mifehy ny heloka atao amin'ny alàlan'ny aterineto nolaniana tamin'ny 2015, izay ilazàn'ireo mpanohitra fa manome fahefana be loatra -- tsy misy fanarahamaso-- ireo mpitandro filaminana ilay raharaha.
Ifantohana Indray Ny Fankahalana Afrikana Ao India Taorian'ny Daroka Nahafatesana Lehilahy Kongoley Iray
Lazao izany fa "tia anao i India," amin'ny silamo, Dalits, Afrikana, laika ... dia mandehana miverina mandaka azy ireo amin'ny tavany?
Tsy Mahasakana ny “Revolisiona Maroloko” Ao Makedonia Ny Fandrahonana Fiampangana Heloka Bevava
Nilaza ireo mpanao fihetsiketsehana ao amin'ny "Revolisiona Maroloko" ao Makedonia fa tsy atahorany ny fanambaran'ny polisy milaza fa hiampanga noho ny heloka bevava amin'ireo sahisahy indrindra amin'izy ireo ny polisy.
Mihetsika Hiady Amin'ny Fifindramonina Tsy Ara-Dalàna Avy Any Bangladesh i India, Nanidy Ny Sisintany ao Assam
Milaza i India fa te-hanidy ny sisintany ifanolorana amin'i Bangladesh ao amin'ny fanjakana avaratra atsinanana ao Assam. Nilaza ny BJP fa ilaina izao fepetra izao hiadiana amin'ny ffindramonina tsy ara-dalàna avy any Bangladesh.
Lehilahy Ogandey Nosamborina Noho Fiakanjoana T-Shirt Manasongadina Mpitarika Ny Fanoherana
"Afa-mivoaka ve izahay ary hitsahatra amin'ny fitenenana azy ity ho demaokrasia satria tsy izany no izy. Mametraha anay ao anaty akanjo tohitenany mavo nahoaka no tsy ianao."