Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Mey, 2016
Ginea: Ny Teknolojia Vaovao, Vintana Ho An'ireo Fiteny Ao Amin'ny Firenena

Tafa niarahana tamin'i Tafsir Baldé momba ny fampiroboroboana ireo fiteny ao amin'ny firenena afrikàna
Ny Herinandro Tato Amin'ny Global Voices Podcast: Ny Nanjavona
Mitondra anao any Ekoadaoro, Oganda, Bangladesh, Okraina ary Pakistan izahay.
Nanangana Sehatra Ho amin'ny Mangaraharan'ny Firenena i Meksika

Manana fitaovana vaovao hiadiana amin'ny kolikoly i Meksika. Saingy ho hita eo ny fahombiazany amin'ny fampiharana azy.
Aiza i Zeenat Shahzadi? Ahiana Ho Niharan'ny Fanjavonana An-terisetra Ao Pakistàna Ilay Mpanao Gazety
"Tonga amin'ny fotoana izay mety hanjavonan'ny tsirairay amintsika noho ny fikarohana na ny filazàna ny marina ny toe-draharaha amin'izao."
‘Raha Tsy Misy Ny Rariny, Tsy Misy Filaminana!': Diaben'ireo Makedoniana Manohitra Ny Famelankeloky Ny Filoha Ho An'ireo Mpanao Politika Mandalo Fanadihadiana
Olona maro no naratra ary am-polony no voasambotra tamin'ireo hetsi-panoherana manohitra ny famotsorankeloky ny Filoha Ivanov ho an'ireo lehibe mpanao politika nampangaina ho tafiditra amin'ny fanaovana kolikoly sy fanamparam-pahefana.
Nanjakan'ny Mosary ny Fahazazany Tao Etiopia. Ankehitriny, Hitany Fa Lany Indray ny Sakafo
Manahy momba ny tanindrazany ny Etiopiana iray mpila ravinahitra noho ny haintany sy ny fiovaovan'ny toetrandro mandrahona hitondra mosary iray hafa.
Manao Fihetsiketsehana Mitady Fanampiana Ara-Tsakafo Ny Tantsaha Filipiana Tratran'ny El Niño
"Afa-mitady voly hafa izahay hatsatoka ambolena. Saingy tsy misy na inona na inona aloha izao – vovoka amana hekitara fotsiny izay tsy mety maniry eo na dia ny ahi-dratsy aza."
Miverina Amin'ny Laoniny Ankehitriny Ny Media Sosialy Ogandey Rehefa Avy Notapahana Nandritra Ny Andro Maro

Nandidy ireo tranonkala hikatona noho ny "antony ara-pilaminana" ny Vaomieran'ny Fifandraisana tao Oganda talohan'ny fanokanana ny filoha Yoweri Museveni. Nanakana ny fidirana tamin'ny media sosialy ihany koa ny manampahefana nandritra ny fifidianana tamin'ny volana Febroary.
Arzantina: ‘Diaben'ny Cap (Kasikety)’, Hetsika iray Tsy Hangina Manoloana Ny Herisetra Mahafaty Ataon'ny Polisy
"Miandahy miambavy izahay. Izahay no ireo bandikely sy sipakely avy any an"-tanàna, ny dihy, ary ny kianja filalaovana baolina kitra, avy any am-ponja manerana ny firenena. Izahay no mpiasa miady isanandro hisian'ny fahamendrehana"
“Mitsikilo Ny Olom-pireneny” Ny Mpitondra Mozambikana, Araka Ny @Verdade

Ny lehiben'ny tafika no nisahana ny fanaraha-maso ny serasera teo anelanelan'ny 2012 sy 2014, ary ny Shinoa ZTE Corporation no nametraka ny rafitra. Voalaza fa nanomboka tamin'ny 2013 ny fihainoana ny fifandraisan'ireo olom-pirenena.