Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Aogositra, 2015
Polisy Manamboninahitra Goianey Nosaziana Fa Bevohoka
Ahafahan'ny polisy mandroaka izay polisy manampahefana vehivavy bevohoka ao anatin'ny fotoanan'ny fisedrana ny lalàna tranainy ao Goiana. Tokony hovaina ve izany lalàna izany?
Mihasimba Ny Trano Fonenana Natao Ho An'ny Besinimaro Any Londona
Mandoa vola aman-taonany noho ny tsy fitandreman'ny governemanta sy ny tsy fahatanterahan'ny fampanantenana hisian'ny trano fonenana amin'ny vidiny mirary ireo mahantra ao Londona.
Velomin'ny Arzantiniana an'aterineto ny fahatsiarovana ireo lasibatry ny didy jadona
Efa ho 40 taona izao dia niady ho amin'ny fitehirizana ny fahatsiarovana ireo olon-tiana nanjavona ireo hetsika mpandala ny zon'olombelona Arzantiniana, tolona izay namboarina ho antonona ny venim-potoanan'ny Web 2.0.
Mihamalemy noho ny ady amin'ny fampihorohoroana ny fiarovana ny Zon'olombelona ao Tonizia
Na dia teo aza ny fanomezana antoka avy amin'ny Praiminisitra fa "afaka maneho hevitra sy manoratra izay tiany ny vahoaka", mbola manasazy ny fanehoan-kevitra ihany ireo manampahefana.
Zanakalahin'ny Mpanohitra Mpitarika Ny Hetsika Maitso Manohana Ny Fifanarahana Ara-nokleary Iraniana
"Amin'ny maha-Mpampianatra lalàna noraràna tsy hampianatra ao Iran, sady mpikatroka mpanohana ny demokrasia. manohana tanteraka ny fifampiraharahana ara-nokleary aho," Hoy i Mohammad Taghi Karoubi tamin'ny lahatsary.
Mpanao fihetsiketsehana miatrika ny gidragidran'ny polisy misahana ny rotaka ao Libanona
Setriny ankerisetra no niandry ny mpanao fihetsiketsehana milamina #YouStink izay nahavoriana olona tao Beirota tamin'ny asabotsy 22 aogositra mitaky ny hamahana ny olan'ny fanariam-pako ao Libanona.
Olona Mitovy Taovam-pananahana: Fanambadiana Voalohany Nankalazaina Tao Puerto Rico
Taorian'ny taona maro nitolomana mafy, afaka manao ny fifanekeny amin'ny fomba ofisialy ireo olona mitovy taovam-pananahana ao Puerto Rico ankehitriny.
Nanoratra karatry ny paositra an'arivony ity dokotera ity hahazoan'ny mahantra ao India torohevitra ara-pahasalamana
Nahita fomba tsy mampiasa teknolojia avo lenta ny dokotera Indiana iray amin'ny fanomezana fomba fikarakarana ara-pahasalamana: manoratra karatry ny paositra (carte postale).
‘Las Patronas': Manova Ny “Fiarandàlambin'ny Fahafatesana” Meksikana Ho Araka Ny Maha-Olona Kokoa
Ahoana no fomba nanosehan'ny hataka tao amin'ny Change.org ny fianakaviana iray manatsara fiainana mpifindra monina ho any Etazonia an'arivony ho mpifaninana hahazo ny lokan'ny Princess of Asturias 2015.
Fantadaza iray amin'ny fanaovana fihetsiketsehana ao Iran manatevin-daharana ny fanoherana ny fifampiraharahana ara-nokleary
Niteraka resabe tao amin'ny media sosialy vao haingana noho ny fiampangany miharihary ny fifampiraharahana ara-nokleary nosoniavina tamin'ny 14 Jolay teo amin'i Iran sy ny P5 + 1 i Batebi.