Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Jona, 2015
Fanarahamaso Ny Fifidianana Antenantenam-Potoana Ao Meksika Miaraka Amin'ny #BreakTheFear
Nandritry ny fifidianana tao Meksika tamin'ny Alahady lasa teo, nanao fanentanana nomeny anarana hoe #RompeElMiedo (#ReseoNyTahotra) ny fikambanana ho an'ny fahalalaham-pitenenana ARTICLE 19 mba hanarahana maso ny fiarovana ireo mpanao gazety sy mpikatroka mpiaro zon'olombelona
Befeqadu Hailu: Mpanoratra Etiopiana Tsy Manaiky Tampenam-bava
Ao amin'ny tenin'i Wole Soyinka, “ny boky sy ny karazam-panoratana rehetra dia fampihorohoroana hoan'ireo izay maniry ny hanafoana ny fahamarinana.” Migadra i Befequadu satria nanoratra.
Zaza Mpivarotra Fako ao Quetta Tsy Misy Mpiaro
Tahaka ireo zaza an'arivony hafa ao an-drenivohitr'i Balochistan ao Quetta, dia voatery miasa noho ny fahantrana lalina mahazo azy ireo ny zazalahy 12 taona antsoina hoe Jummah sy 11 taona antsoina hoe Razzaq.
Vono Mpianatra Zazavavy Valo Taona tao Taiwan Miteraka Adihevitra Indray amin'ny Didy Fanamelohana Ho Faty
Na dia teo aza ny fankatoavana ireo fifanekena iraisam-pirenena sasany momba ny zon'olombelona, mbola mampihatra ny sazy fanamelohana ho faty izay ankasitrahan'ny ankamaroan'ny Taiwaney i Taiwan.
Soratra Mipetaka Amin'ny Blaogin'i Zelalem Kiberet: ‘Avelao Hikorintsana ny Fahafahana’
Noho ny halalin-tsainy, lahatsoratra mampihomehy sy ny tsy fanaikinaikeny lembenana tamin'ny famakafakana ara-pivavahana dia namboarin'ny namany ny anaran'i Zelalem hitovy amin'ny anaran'i Zola, ilay mpanoratra frantsay
‘Tsy Heloka Bevava Ny Fanoratana Rindrambaiko': Any Am-ponja No Mankalaza Ny Faha-40 Taonany Ilay Iraniana Mpamorona Tranonkala
"Tsy rariny ny fanohizan'ny governemanta Iraniana mitàna am-ponja injeniera iray manana talenta satria hoe fotsiny ny rindrambaiko noforoniny no nampiasain'ny sasany hanaovana zavatra tsy araka ny lalàna"
Inona no Tokony Ataon'i Singapaora Manoloana ny Krizin'ny Mpitsoa-ponenana Rohingya?
Tsy taitra i Singapaora nandritra ny krizin'ny mpitsoa-ponenana Rohingya ao Azia Atsimo Atsinanana kanefa nihaona mba hikaro-bahaolana ireo mpitarika ny firenena manodidina. Saingy tokony hanao zavatra ve ny firenena?
Mpikatroka Okrainiana: Ny Fomba Ampiasàny ny Youtube Hanoherana Ny Kolikoly Any Amin'ny Fitsaràna
Amin'ny alàlan'ny lahatsary ety anaty aterineto, ny fampitàna mivantana, ary ny fahaizana lalina ny resaka lalàna, noraisin'ny "Open Court," vondrona ahitàna mpisolovava sy mpikatroka mafàna fo mpiaro zon'olombelona, ho raharahany manokana ny ady hatraiza hatraiza atao amin'ny kolikoly any amin'ny rafi-pitsarana.
Notànan'ny Polisy Thailandey Ireo Mpianatra Mpanao Fihetsiketsehana Nandritra Ny Tsingeritaonan'ny Fanonganam-panjakana
"Tsy afaka manangana fiarahamonina demaokratika isika raha tsy manana fahalalahana, fahafahana, zo, rariny sy ny fampihavanana."
Fanentanana Haka Selfie Hampiroboroboana Ny Fifandeferan'ny Finoana Samihafa Sy Ny Fahasamihafàna Ara-Poko Ao Myanmar
"Sikh izy ary izaho Miozolmana. Nefa mpinamana izahay. Na dia manana izay mampiavaka anay aza izahay, mifampizara kosa ny fomba fijerysy ny finoana, manaiky sy manaja ny mari-panondroana ny tsirairay."