Tantara mikasika ny Zon'olombelona tamin'ny Septambra, 2014
Nampitombo Avo Roa Heny Ny Trangan'Extremisma ao Rosia ny Aterineto
Nitombo avo roa heny ny trangan-keloka bevava noho ny extremisma tamin'ity taona 2014 ity, ary ny Internet no tompon'andraikitra voalohany amin'izany fitomboana izany, satria mihamaro koko ny hetsika politika sy ny fahavitrihana an-tserasera.
Salama Tsara Miriaria Miaraka Amin'ny Fianakaviany Ao Toronto, Kanada i Alexander Sodiqov, Mpikambana Ato Amin'ny Global Voices
Tapitra ny fiandrasana. Tafaverina ao Toronto i Alexander Sodiqov sy ny fianakaviany rehefa nankatò ny fitakiana ofisialy hamelàna azy hanohy ny fikarohana akademika ataon'i Alex ny governemanta Tajik.
Jamaika: Tian'ny ‘Nuh Guh Deh’ Ho Lasa Toerana Iray Tsy Anekena Ny Fanararaotana Ara-Pananahana Atao Amin'ny Vehivavy
Mihevitra ny Jamaikàna sasany, indrindra ny lehilahy, fa ekena ny fampiharana ny fampianarana ara-pananahana amin'ny vehivavy dieny izy mbola kely taona. Hifanojo amin'ny Andro Iraisam-Pirenena Ho an'ny Ankizy Vavy ny fanombohan'ny fanentanana.
Ice Bucket Challenge An'i ALS : Inona Avy Ireo Lesona Azo Tsoahana ?
Tsy azo lavina fa lasa maro ny olona mahalala bebe kokoa momba ny ALS noho ny teo aloha, anefa nanome tsiny ilay hetsika ireo tsikera hoe manome vahana bebe kokoa ny fanbandratan-tena fotsiny ilay izy.
Manakatona Ireo Tranokalam-baovao Tsy Voasoratra Anarana Ny Governemanta Iraniana
Hahazo fanampiana ara-bola avy amin'ny governemanta izay tranokalam-baovao rehetra mankatò ny tokony hisoratana anarana.
Nanangana Vavahadim-baovao Ireo Mavitriky ny Pussy Riot Anankiroa
"Ahitana mazava indrindra ny fomba fiasan'ny governemanta ny jery ambadiky ny varavaran'ny fonja", hoy ny tranokalam-baovao iray natsangan'ireo mpikambana malaza avy ao amin'ny Pussy Riot: Maria Alyokhina sy Nadezhda Tolokonnikova.
Aostralia: Namoy Ny Ainy Ilay Iraniana Nitady Fialokalofana
Namoy ny ainy noho ny fahafatesan'ny ati-doha ilay Iraniana mpitady fialokalofana Hamid Kehazaei rehefa nijalin'aretin-drà izay aretina azony nandritra ny fanagadrana azy tao amin'ny Nosy Manus ao Papouasie-Nouvelle-Guinée. Aostraliana maro no naneho ny fiombonan'alahelo sy ny fahatezerana.
Amafisin'ny Ny Fitsarana Eoropeana Fa Misy Fonja Miafin'ny CIA Ao Polonina
Faly tamin'ny fanamafisan'ny ECHR tamin'ny didiny manambara ny fisian'ny "famonjana miafina" ataon'ny CIA any Polonina ny vondrona mpandala ny zon'olombelona, saingy tsy dia toy izany kosa ny fihetseham-pon'ny manampahefana sy ny governemanta poloney.
Donetsk : Nalain'ireo Mpiady Anaty Akata Ao Donetsk An-Keriny Ilay Okrainiana Mpanakanto Mpiady Anaty Akata Sahy Naneso Azy Ireo.
Nalain'ny mpikomy an-keriny ilay Okrainiana mpanakanto mpiady anaty akata izay mametaka miafina sary vongana kely maneso ireo mpiady anaty akata mpitaky fizakantena any amin'ny Repoblika Entim-bahoakan'i Donetsk ao Donetsk, tanàna voabodo
Poritsaka Goavana Nahatonga Fanadihadiana Vaovao Amin'ny Fitaovam-Pitsikilovan'i FinFisher Miasa Ao Pakistan
Nisy mpisovoka tsy fantatra anarana iray namoaka ango-tahiry manana hadiry 40 gigabytes miresaka momba ny fampiasana FinFisher, fitaovam-pitsikilovana, ao Pakistan. Manao tatitra momba izay hitany voalohany tao ny Digital Rights Foundation.